• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Vaovao

« Trésor » vaky tao Ambalavao : Polisy sy lehiben’ny fitantanam-bola hotsaraina

27/04/2023 06:41 © Midi Madagasikara

Omaly no tokony niakatra fampanoavana tao Fianarantsoa ireo izay voarohirohy tamin’ny fanjavonan’ny volam-panjakana mitentina 400 tapitrisar ariary, vola izay nipetraka tao anatin’ny fitoeram-bola mihidy ary mila tenimiafina ny fanokafana azy.

Polisy telo niandraikitra ny fiambenana ny biraon’ny fitantanam-bolam-panjakana (trésor public) ao Ambalavao (faritra Matsiatra-Ambony) no isan’ny voarohirohy voalohany rehefa nipoaka ity raharaha ity.

Nanomboka ny asabotsy teo ny fanadihadiana azy ireo niandraiketan’ny polisy misahana ny faritra. Omaly dia tsy nisy tonga teny amin’ny fampanoavana ireo olona tokony nohenoina. Raha araka ny fantatra dia nahemotra anio ny fanadihadiana eo anivon’ny fampanoavana. Manara-maso akaiky ity raharaha ity ny mpanara-baovao satria volam-panjakana, volam-bahoaka no nanjavona tsy hita popoka. Raha tsiahivina dia tsy vao voalohany no nisy fahaverezam-bola toy izao tao amin’ity biraom-panjakana ity. Vao tamin’ny herintaona koa no nisy 80 tapitrisa ariary nolazaina fa vola simba sy ambim-bola. Nanjavona koa io ary dia mbola ireo olona entina amin’ny fampanoavana anio ireo ihany koa no voarohirohy ho tompon’antoka tamin’izany. Toerana isan’ny tsara ambina ary mihidy anaty fitoeram-bola misy « code » ny miliara kanefa dia nanjavona. Misy tena injeniera amin’ny halatra eto amintsika…

D.R

Lire la suite

Articles Similaires