• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Moov.Mg
Image
Vaovao

Vidin’entana miakatra : Hamafisina ny làlan’ny fitsinjarana

19/04/2023 18:09 © Moov.Mg

Midangana izay tsy izy ny vidin’ny entana fampiasa andavanandro eny amin’ireo mpaninjara.

Maro ireo fianakaviana vaky loha mitady izay hoanina isan’andro, indrindra ireo tena marefo. Mihasarotra hatrany ny fiainana satria mihalafo ny vidin’entana.

Miafy…

Vary, siramamy, menaka, legioma, efa tsy zakan’ny sarababem-bahoaka intsony ny vidiny. « Tsy latsaky ny 1000 ariary ny kapoakan’ny vary gasy sy ny makalioka aty an-tànana. Ny vary stock ihany izao no mbola ahitana 760 ariary eny amin’ny mpivarotra sasany. » hoy i Henriette mitantara, renim-pianakaviana manan-janaka 6, izay mbola eo anivony ny 4 mirahalahy. « Tsimaintsy ilay vary stock no vidiana rehefa andavanandro na dia misy fofona sy tsy dia mahasalama loatra ary satria io no mba mitombo. Rehefa alahady vao manao makalioka na vary gasy mba miova kely amin’ny isan’andro. » hoy hatrany izy.
Raha ny legioma indray kosa no resahana dia ny karaoty sy ny tongolo izao no tena hita fa miaka-bidy. Tsy latsaky ny 3000 ariary amin’izao fotoana ny kilaon’ny karaoty. Misy amin’ireo mpivarotra sasany ary no mivarotra azy ho 4 000 ariary ny kilao. Ny tongolo kosa dia efa mahatratra 6000 ariary ny kilao. Manoloana ny fidangan’ny vidin’entana, maro amin’ireo tokatrano tena marefo no voatery manena ny sakafo hoanina isan’andro. Ao ireo misafidy ny hihinana haninkotrana toa ny mangahazo, vomanga sy saonjo, satria efa tsy araka intsony ny vidim-bary.

Tsy fanarahana ny làlan’ny fitsinjarana

Etsy andaniny dia misy ireo toeram-pivarotana manararaotra ary mampiakatra ny vidin’ireo entana sasany. Tsikaritra ihany koa fa misy amin’ireo mpaninjara no maka entana mivantana eny amin’ireo mpanangom-bokatra mpanatitra eny an-tsena amin’ny kamiao. Raha fintinina dia lasa eny amin’ny mpanangom-bokatra ireo mpaninjara sasany no maka entana fa tsy manatona ny mpamongady intsony. Tsy misy araka izany ny taratasy fanamarinana ny nividianana ny entana na ny faktiora ahafahana misoroka ny mety ho fanararaotana.
Manoloana izany dia nanapa-kevitra ny teo anivon’ny ministeran’ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny varotra ary ny fanjifana fa ho hamafisina ny fanarahana ny làlan’ny fitsinjarana. Tanjona amin’izany ny hampihenana ny elanelana misy eo amin’ny mpanafatra entana mandrapahatonga eny amin’ny mpanjifa. Noresahana omaly izany fomba fiasa vaovao izany nandritra ny fivoriana nisy teo amin’ny ministera mpiahy, ny mpanafatra entana, ny mpamongady, ny mpaninjara, ny lehiben’ny tsena ary ny fikambanana mpiaro ny zon’ny mpanjifa.
Nivoitra nandrintra izany ny fahavononan’ny mpivarotra, fa indrindra ireo mpikambana mpiaro ny zon’ny mpanjifa amin’ny fanampiana ny ministera mpiahy ho fitsinjovana ny vahoaka.

Lire la suite

Articles Similaires