• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Infocom_Seg
Image
Vaovao

Sambo rendrika tao Ambilobe : Mpivady naiditra amponja vonjimaika

19/04/2023 17:09 © Moov.Mg

Olona maherin’ny 30 no namoy ny ainy nandritra ny faharendrehan’ilay sambo nitondra mpifindra monina tsy nahazoana alàlana tao Ambilobe, ny 12 martsa lasa teo.

Natao ny famotorana sy ny fikarohana ary tratra ny mpivady iray ahiana ho tompon’antoka tamin’iny loza iny.

Mpivady nitatitra olona antsokosoko

Ny herinandro lasa teo, ny 14 aprily raha ny marimarina kokoa, no nosamborina ireto mpivady iray izay ahiana ho tompon’antoka tamin’io loza an-dranomasina namoizana olona maro io. Araka ny fantatra dia ireo mpivady ireo no nitatitra antsokosoko ireo mpandeha. Nikasa ny hifindra monina ho any Mayotte moa ireto farany no izao tra-doza izao ny alin’ny 11 martsa hifoha ny 12 martsa tao Ambilobe.

Famotorana

Fantatra ary fa Bema Ambroise izay antsoina hoe Amboro sy Be Sujette vadiny ireo voaroiroy ireo. Rehefa vita ny famotorana ny 17 aprily lasa teo dia natolora ny fampanoavana izy ireo ary naiditra amponja vonjimaika.
Ankoatra azy mivady dia tratra ihany koa ilay mpanamory sambo antsoina hoe Moustpha na i Moussa. Ity farany moa no anisany tompon-kevitra tamin’ny fitondrana ireo olona ireo ankotra ireo mpivady voalaza tetsy ambony. Mpivady hafa, izay nampiantrano, nanafina, ary niray tsikombakomba tamin’io mpanamory sambo io, ihany koa no voasambotra.

Fanentanana

Tsy vao izao no nitrangana loza an-dranomasina toa izao. Ary matetika dia sambo mitatitra olona antsokosoko foana no isehon’ny loza, izay tsiahivina fa voararan’ny làlana. Manoloana izany dia tsy mitsahatra ny eo anivon’ny zandarimariam-pirenenana manao fanentanana eny anivon’ny mponina. Tanjona amin’izany ny hisorohana ny tranga toa izao fa indrindra ihany koa ny mba hanabeazana sy hitaizana ny olona hanaraka ny làlana manan-kery.
Efa matetika loatra ny loza toa izao, koa manambara ny eo anivon’ny zandarimaria fa tsy hiantra ireo izay tratra minia mandika ny làlan’ny fifamoivoizana an-dranomasina intsony. Izany dia ho fiarovana hatrany ny ain’ny vahoaka.

Lire la suite

Articles Similaires