• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Prm
Image
Vaovao

Malagasy Youth Business Meeting : Nihaino ireo mpandraharaha ny filoham-pirenena

18/04/2023 14:34 © Moov.Mg

Notontosaina omaly, 17 aprily, ny fihaonan’ny filoham-pirenena sy ireo mpandraharaha vao misondrotra.

Noraisin’ny filoham-pirenena Andry Rajoelina teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha ireo tanora mpandraharaha vao misondrotra eto an-toerana.
Anisan'ny nandray anjara tamin'izany izy 9 mianadahy voafantina tamin'ny famaranana ny "3,2,1 pitch by Fihariana". Voaasa ihany koa ireo tanora mpandraharaha misongadina eo amin'ny seha-pihariana samihafa toy ny fambolena sy fiompiana, ny fanodinana vokatra isan-karazany, ny fiahiana ny tontolo iainana, ny haitao ara-kajy mirindra, sns.
Nihaino ireo mpandraharaha ireo ny Filoha Andry Rajoelina ary nifampizara tamin'izy ireo ny traikefa ananany sy ny lalana nizorany teo amin'ny tontolon'ny fandraharahana. Noderainy manokana ny fahavononana nasehon'ireto tanora ireto hitondra ainga vao eo amin'ny tontolon'ny fandraharahana eto Madagasikara. "Mahavelom-panantenana sy fahatokisana amin'ny hoavin'ny indostria sy ny fandraharahana eto Madagasikara ny finiavana hasehonareo ankehitriny" hoy ny Filoha.
Vonona ny hifanome tanana amin'ireo tanora, hampiroborobo ny seha-piharian'izy ireo, ny fitondram-panjakana.

Lire la suite

Articles Similaires