• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Polisim-Pirenena
Image
Vaovao

Analakely : Ankizy avokoa ireo mpangaro-paosy

17/04/2023 14:35 © Moov.Mg

Mampalahelo sady mahamenatra ny zava-nitranga tetsy Analakely omaly, nandritra ny fampisehoana maimaim-poana nataon'ny tarika AmbondronA. Ankizy miisa 8 no tra-tehaky ny polisy nangaro-paosy teny an-toerana.

Rehefa lanonana mahavory olona tokoa dia maro ireo olona mitaraina ho very zavatra. Omaly dia efa niomana ireo polisy tamin'ny fiarovana ireo mpijery fety rehetra teny Analakely. Mpitandro filaminana nanao fanamiana sivily no nahatratra ireto ankizy manao ny asa ratsiny ireto. Tsy maintsy ampanantsoina ireo ray aman-dreny na mpiantoka ireo ankizy ireo.

Tsy azo lavina fa misy ireo ray aman-dreny maniraka ny zanany hitady vola. Ao ireo mangataka eny an-dalambe. Misy koa nefa ireo mangalatra tsotr'izao mba ahazoana vola na zavatra misimisy. Raha eny amin'ny faritra Analakely dia efa mampatahotra ny mandeha irery indrindra amin'ny hariva. Misy amin'ireo mpatory eny an-dalambe mantsy no manendaka ireo tratra hariva, eny fa na amin'ny atoandro aza rehefa mangingina iny.

Lire la suite

Articles Similaires