• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © _
Image
Vaovao

Vehivavy iray nitondra vola sandoka no voasambotra

17/04/2023 15:29 © Midi Madagasikara

Trangana fampiasana vola sandoka maromaro no tsikaritry ny teo anivon’ny zandary tato ato. Tato anatin’ny iray volana izao dia tranga tsy latsaky ny roa no sarona.

Mividy entana amin’ny vola sandoka

Vehivavy iray niaraka tamin’ny vola sandoka mitentinta 2.800.000 ariary no tra-tehaky ny zandary tao Ampangabe anio. Raha ny marimarina kokoa dia vola 20 000 ariary 140 isa no tratran’ny zandary teny amin’ity vehivavy ity, izay nanome io totaly voalaza etsy ambony etsy io.
Rehefa nahatsikaritra ary ireo mpivarotra sy ireo fokonolona fa hafahafa ny vola izay nomen’ity vehivavy ity dia nampandre avy hatrany ny teo anivon’ny zandarimaria ireto voasoloky.
Ankoatra io vehivavy izay tratra tao Ampangabe Soamanjaka io dia lehilahy efatra hafa ihany koa no tratra niaraka tamin’ny vola sandoka tamin’ny 8 aprily lasa teo tao Tanambao Mananjary. Vola sandoka mitentina 96 050 000 ariary no tratra tany amin’izy ireo, ary niaraka tamin’izany ihany koa ny fitaovana nampiasan’izy ireo nanaovana ireo vola sandoka. Naiditra am-ponja vonjy maika ny roa tamin’ireo efatra mirahalahy raha nahazo fahafahana vonjy maika kosa ny roa ambiny.
Tsy ireo ihany anefa no trangana fanamboarana vola sandoka niseho tamin’ity taona ity fa mbola misy maro hafa ihany koa. Mila jerena akaiky noho izany ireo tambazotra mpanao ity asa ratsy ity ary mila hitadiavana vaha-olana faran’izay maika. Raha zohina dia mariky ny fahantrana lalina ny tranga toa izao. Vahaolana any amin’ny fotony noho izany no mila aroso.

Lire la suite

Articles Similaires