• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Madagascartribune
Image
Vaovao

Fahazoana Pasipaoro : Ahato aloha ny fitakiana ny "lettre d'hébergement"

13/04/2023 22:29 © Moov.Mg

Maro ireo nitaraina tato ho ato mikasika ny fikarakarana Passeport. Misy fandaminana maromaro izay ampiharina manomboka ny zoma 14 aprily 2023.

Ho fanatsarana ny fomba fiasa eo anivon'ny ny sampan-draharahan'ny Pasipaoro eny Anosy, sady hanamaivanana ireo mpikarakara ny antontan-taratasy fangatahana pasipaoro, misy fandaminana vaovao mihatra manomboka ny 14 aprily.
-Misokatra amin'ny 06 ora maraina ny fandraisana ireo antontan-taratasy. Azo atao nefa ny milahatra mialoha. Hisy ihany koa ny fandaminana vaovao hapetraka hialana amin'ny filaharana lavareny sy ny fandanim-potoana, koa iangaviana isika hanaraka izany.
-Mba hanafainganana ny fandinihana sy ny fankatoavana ny antotan-taratasy ilaina amin'ny fahazoana Pasipaoro dia ahato aloha ny fitakiana ny "lettre d'hébergement".
-Raha sendra mahita olona na Polisy manao kolikoly dia afaka antsoina ny laharana 034 05 507 34. Efa misy ihany koa ireo Polisy avy ao amin'ny IGPN afaka hanatonana eny an# teorana raha sendra misy izany.

Lire la suite

Articles Similaires