Vaovao
Toamasina II : Nisitraka fampiofanana ireo mpampianatra
Anisan'ny imasoan'ny Fanjakana foibe ny fanatsarana ny fampianarana manerana ny Nosy. Nahazo fampiofanana ireo mpampianatra sy ireo tompon'andraikitra eo anivon'ny fari-piadidiam-pampianarana Toamasina II.
Notanterahina teo anivon'ny fari-pitantànana ara-pedagojia Foulpointe ny fampiofanana ireo mpampianatra anivon'ny kolejy sy ny andron'ny pedagojia ho an'ny mpampianatra ambaratonga fototra avy amin'ny fari-pitantanana ara-pedagojia miisa 20 ao an-toerana.
Nisy ihany koa ny famoriana ireo tompon'andraikitry ny fari-piadidiam-pampianarana, izay notarihin'ny tale mpiahy avy amin'ny foibem-pitondrana misahana ny drafi-panabeazana (DPE).