• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Odon_Marius_Randrianaina
Image
Vaovao

Asan-jiolahy : Mpanakan-dalana maty voatifitry ny zandary

11/04/2023 09:19 © Midi Madagasikara

Jiolahy mpanakan-dalana iray no maty voatifitry ny zandary, iray hafa voatifitra ihany koa ka naratra ary sambom-belona ny alakamisy teo, tany Antsalova.

Araka ny vaovao avy amin’ny zandary, raha nanao ny fisafoana sy ny fiambenana ny lalam-pirenenana faha-8A, mampitohy an’ Antsalova sy Maintirano ny zandary roa, nandritra ny fisafoana , tokony tamin’ny sivy ora maraina dia nifanena tamin’ny olon-dratsy telo lahy mirongo fitaovam-piadiana avy toy ny famaky sy antsy ary nitondra ody gasy, teo amin’ny toerana atao hoe Mangaben’i Beangaly, fokontany Ambolatera, kaominina sy distrika Antsalova. Voalaza fa io toerana io dia fipetrahan’ireo olon-dratsy izay mpisakan-dalana. Rahefa nasaina nijanona ireto olon-dratsy ary nasaina nametraka ireo fitaovam-piadiana tena an-tanany izy ireo, dia nilefa nandositra ny iray tamin’izy ireo ary ny iray kosa dia namaly botana no nanatona sy nikasa handratra ireo mpitandro filaminana tamin’ny famaky sy antsy teny an-tanany. Voatery niaro tena ireto farany ary nampiasa ny fitaovam-piadiana teny aminy ary voatifitra teo amin’ny tanany sy tandrify ny kibony ka maty tsy tra-drano ny dahalo iray izay tsy fantatra ny anarany sy mombamomba azy, izay tokony eo amin’ny 23 taona eo ho eo. Ny faharoa kosa dia voasambo-belona. Rahefa natao ny fanadihadihana ity iray voasambotra ity, dia nilaza fa avy any Ambondro voalaza eo ambony izy. Marihina anefa fa tsy nahitana kara-panondro ireto olon-dratsy ireo. Rahefa vita ny fizahana ny razana dia natolotra ny sefo fokontany Ankotrofotsy mba hatao ny fomba ny fandevenana azy. Notazomina sy natao andrimaso ato amin’ny tobim-paritry Antsalova ilay azo voasambotra, ka hatolotra ny fitsarana, raha vao vita ny famotorana atao azy mikasika ity raharaha ity.

Lire la suite

Articles Similaires