• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Midi_Madagasikara
Image
Vaovao

Alasora : Lehilahy 35 taona hita faty

11/04/2023 08:47 © Midi Madagasikara

Tao anaty dobo izy no hitan’ny mpamboly anana izay nifoha maraina hiasa eo amin’ny toerana mahazatra eo Ambodivondava-Alasora, ny marainan’ny alalamisy teo.

Nahatsikaritra zavatra hafahafa ilay ramatoa mpamboly ary nanapa-kevitry ny nampandre avy hatrany ny fokontany. Rehefa nosavaina ny toerana dia hita fa razana no tao. Rehefa natao ny fanamarinana rehetra dia fantatra fa lehilahy izay tsy hita nanomboka ny zoma lasa teo izy io. Nametraka fitarainana sy fampahafantarana teo anivon’ny fokontany ny fianakaviany. Hita ihany ilay lehilahy fa izy io efa maty io. Efa nanomboka namoaka fofona raha araka ny fanazavan’ny nanatri-maso. Vokatr’izany dia ny andron’ny nahitàna ny razana ihany dia nalevina. Raha ny fanazavan’ny fianakaviany dia mipetra-drery ilay lehilahy fony fahavelony ary tsy dia salama saina loatra. Tsy nahitàna ratra ny vatany raha araka ny fanamarihana teo an-toerana. Na izany aza anefa, satria fahafatesana tsy voaporofo no nitranga, dia nisy ny fanadihadiana nosokafan’ny zandary.

Lire la suite

Articles Similaires