• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Vaovao

Anosipatrana : Jiolahy 6 lavon’ny balan’ny polisy

11/04/2023 08:27 © Moov.Mg

Mitombo hatrany ny trangana fanafihana tokatrano sy fanendahana olona eny an-dàlana eto Antananarivo.

Manoloana tsy fandriampahalemana dia manao ny ainy tsy ho zavatra ireo mpitandro ny filaminana. Ary ny angom-baovao avy amin’ireo olona tsara sitrapo matetika no ahafahana misambotra ireo jiolahy. Ny herin’andro lasa teo dia mpanao asa ratsy miisa 6 indray no lavon’ny balan’ny polisy.

Tsy fandriampahalemana

Maro ireo olona tsotra namoy ny ainy sy naratra vokatry ny fanahifahana izay nataon’ireo jiolahy ireo. Mietraketraka tokoa ireto farany, ary efa tsy mifidy olona ho asiana intsony. Saika hiaran-izany avokoa ny sarangan’olona rehetra.
Manjaka tokoa ny tsy fandriampahalemana ary manomboka mahazo vahana mihitsy ireo mpanao asa ratsy. Manoloana izany indrindra dia miara-miasa akaiky amin’ireo mpanome vaovao ny eo anivon’ny polisim-pirenenana. Ahitana vokatra tsara sy mahomby foana matetika izany fiaraha-miasa eo amin’ny mpitandro ny filaminana sy ny olo-tsotra izany.

Jiolahy rain-dahiny

Fanafihana mitam-piadiana miisa hatrany amin’ny 12 no vitan’ireto jiolahy tao anatin’ny 03 volana izay. Anisan’ny lasibatra tamin’izany ilay mpamongady lehibe tetsy Anosibe izay notafihana sy novonoin’ireto jiolahy ireto.
Teo ampiomanana hanohy ny asa ratsiny indray ireto andian-jiolahy rain-dahiny ireto no izao tratehaky ny polisy izao. Nisy ny vaovao voaray izay nilaza fa hanafika mpamongady iray etsy Anotsipatrana izy ireo, ka avy hatrany dia nandray andraikitra ny polisy. Nisy araka izany ny paikady izay napetraky ny teo anivon’ny mpitandrony filaminana mba hisamborana ireto mpietraketraka ireto.
Tamin’ny andro izay voalaza fa hanaovan’izy ireo ny fanafihana dia hita teny amin’ny toerana voatondro tokoa izy ireo, tokony ho tamin’ny 10 ora alina teo ho eo. Hita teny amin’ireto jiolahy ny basy vita gasy miisa 04 sy basy poleta 01 ary antsy 01. Nisy ary ny fifandonana naherivaika teo amin’ireo jiolahy sy ny mpitandro ny filaminana, koa lavo tamin’izany ny jiolahy miisa 06. Ny iray tamin’izy ireo kosa dia nitsoraka tany anaty ranon’Ikopa na dia efa voatifitry ny polisy ary. Mitohy noho izany ny fikarohana azy. Ankoatra izay dia fantatra ihany koa fa nisy tamin’ireo jiolahy lavo no efa mpamerin-keloka.
Ny fisian’ny ango-mbaovao sy ny fametrahana paikady toa izao dia manampy betsaka ny polisim-pirenenana amin’ny asa fiarovana ny vahoaka. Amin’izao andro fety izao dia mitohy ny asan’ireo mpitandron’ny filaminana isan-tsokajiny mba ahafahan’ny olom-mpirenena tsirairay manao fety am-pilaminana.

Lire la suite

Articles Similaires