• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Groupement_Gendarmerie_Vakinankaratra
Image
Vaovao

Paska anatin’ny filamina : Manaramaso ireo toeram-pitsangatsanganana ny zandary sy ny polisy

10/04/2023 12:09 © Moov.Mg

Fotoana iray safidian’ny mpianakavy iarahana mivoaka kely sy maka rivotra ny alatsinainin’ny paska toa izao. Na dia eo aza ny fety dia ilaina hatrany ny fahamilinana sy ny fitandremana mba hialana amin’ny loza mety hiseho.

Fanarahamaso ny mpangaro-paosy

Manaramaso ireo làlana sy ireo toeram-pitsangatsaganana ankehitriny ireo zandary. Izao no atao dia ny mba hiarovana ny ain’ireo mpitsangatsagana amin’ny loza mety hiseho vokatry ny mety ho tsy fanarahan-dàlana na ny mety ho fisotroana zava-mahamamo be loatra. Raha ho an’ny zandarimarian’ny faritra Vakinankaratra fotsiny ohatra no resahana dia saika ahitana azy ireo avokoa ireo toerana falehan’ny olona rehefa fotoanan’ny fety toa izao. Ahitana azy ireo na ny ao antampon-tanàna na ny any amin’ireo toerana somary milamina sy mangina izay ahitana mpitsangatsangana.
Raha ho an’Antananarivo renivohitra indray kosa dia ireo polisy no manao izany asa izany. Na ireo zandary, na ireo polisy dia samy manaramaso sy mijery akaiky ireo ahiana no mpangaro-paosy avokoa. Mifangaro any anaty olona any ireo mpitandro ny filaminana mba hahatratrarana mora foana ireo mpanao ratsy.

Fanentanana

Ankoatra ny resaka fangalarana sy fanendahana izay mateti-piseho rehefa andro fety toa izao dia manaramaso ireny toerana fitsangatsanganan’ny mpianakavy ireny ihany koa ny mpitandro ny filaminana. Mandritra izany no hanentanan’izy ireo ny tsirairay mba tsy hanao mamo be loatra, sy mba hahay hisotro amin’ny antonony.
Ny fahamamoana tokoa dia mety hiteraka loza maro isan-karazany. Afaka resahana amin’izany ohatra ny fianjerana tsy nahy anaty tevana na anaty rano izay mety hitarika hatrany amin’ny fahatesana mihitsy. Ao ihany koa ny mety hisian’ny loza-mpifamoivoizana vokatry ny hamamoana izay tsiahivina fa anisany mahafaty olona betsaka indrindra rehefa fety ny andro.
Entanina noho izany ny tsirairay mba samy ho malina sy hahay hifehy tena mba hialana amin’ny mety ho loza amin’izao alatsinain’ny paska izao.

Lire la suite

Articles Similaires