• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Andry Rajoelina Prm
Image
Vaovao

Paska 2023 : Nisafidy an'i Israely i Andry Rajoelina mianakavy kely

10/04/2023 01:01 © Moov.Mg

Sambany teo amin'ny tantaran'i Madagasikara no nisy filoham-pirenena namonjy an'i Israely amin'ny vanim-potoanan'ny Paska. Tamin'ity taona 2023 ity dia nanatanteraka fivahinianana masina na "pélérinage" tany amin'ny Tanàna Masina i Andry Rajoelina sy ny vady aman-janany.

Lalan'ny hazo fijaliana

Anisan'ny vaovao nanamarika ity Paska 2023 ity ny fandehanan'ny filoham-pirenena sy ny ankohonany tany Israely. Araka ny mahazatra mantsy dia miombom-bavaka eny amin'ny Akamasoa izy ireo rehefa fotoan-dehibe amin'ny fivavahana kristianina.
Araka ny fanambaran'ny filoham-pirenena tao amin'ny pejiny dia manan-danja manokana ho azy izao diany izao, indrindra eo amin'ny ara-panahy. Tsy vao voalohany rahateo izy sy ny vady aman-janany no nankany Israely. "Izao andron’ny Paka izao dia maneho amintsika ny fandresen’ny fiainana amin'ny fahafatesana ary mitondra ny fanantenana. Mampahatsiahy ihany koa fa eo amin’ireo ady sarotra izay sedraintsika dia matoky isika fa eo anilantsika lalandava ny Tompo", hoy indrindra ny filoham-pirenena.

Fihaonana ara-diplomatika

Na eo aza ny andro fety, tsy ny vavaka ihany no anton-dian'ny filoham-pirenena Malagasy tany Israely. Nihaona tamin'ny filoha israelianina Isaac Herzog mantsy ny tenany. Niompanan'ny dinika nifanaovana ny teknolojia momba ny rano, ny angovo, ny fahasalamana ary ny fambolena sy ny fiompiana. Ho fanamafisana ny fiaraha-miasa ara-toekarena dia hisy ny dia hiverenana any an-toerana hiarahana amina delegasiona manokana momba ny toe-karena sy ny ara-barotra araka ny fanasana izay nataon'ny filoha İsaac Herzog.

Lire la suite

Articles Similaires