• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Indrana
Image
Vaovao

Fetin'ny paska 2023 : Misokatra ho an'ny besinimaro ny zaridainan'Ambohijatovo sy Anosy

09/04/2023 21:35 © Moov.Mg

Tsy voatery mandeha lavitra intsony ireo mponin'Antananarivo Renivohitra. Nanapa-kevitra ny kaominina fa azon'ny rehetra atao ny mitsangatsangana ao amin'ny zaridainan'Ambohijatovo sy Anosy.

Amin'ity fetin'ny paska 2023 dia omena fahafaham-po ireo mponin'Antananarivo Renivohitra. Tamin'ny taona lasa mantsy dia efa saika tsy nosokafana mihitsy ny toeram-pitsangatsanganana ho an'ny daholobe noho ny fitandrovana ireo fotodrafitr'asa. Samy misy fotodrafitr'asa ilalaovan'ny ankizy avokoa na ny zaridainan'Ambohijatovo na ny eny Anosy. Ity farany moa dia misy fitaovana manokana ho an'ireo mpitia fanatanjahan-tena. Azo atao tsara ny mitondra tsihy ipetrapetrahana sady amelarana ireo sakafo izay ifampizarana amin'ny fianakaviana. Tsy misy ny vidim-pidirana.
Manao fanentenana kosa nefa ny avy eo anivon'ny kaominina ny amin'ny hanajana ny fananana iombonana. Asaina ny rehetra mba hitandro ny fahadiovana sy tsy hanimba ireo kilalao sy fitaovana maro isan-karazany. Ampahatsiahivina ihany koa ny fitandremana ny amin'ny sakafo sy ny zava-pisotro mba isorohana ny aretina sy ny loza.
Mirary fety sambatra ieren-doza ho an'ny rehetra.

Lire la suite

Articles Similaires