• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © _
Image
Vaovao

Antanamakoa Toamasina : Sarona ilay toerana fampidorohana zaza tsy ampy taona

07/04/2023 16:19 © Moov.Mg

Matetika loatra tato ato no nahenoana fihetsika mamoafady ataon’ireo tanora ao Toamasina. Nisy mihitsy ary ny fiforonan’ny vondron’ireo zatovolahy mpihetraketraka izay antsoina hoe « Gool Den Team ».

Taorian’ny angom-baovao izay nataon’ny teo anivon’ny zandary dia toerana iray fisotroana, izay mampidoroka ny ankizy tsy ampy taona no sarona.

Toerana fisotroana sy fidorahana zava-mahadomelina

Rehefa avy naharay ny angom-baovao avy tamin’ny olona tsara sitrapo ireo zandary, izay efa manao fisafoana tsy ankiato, dia saron’izy ireo ilay toerana fivorian’ireo ankizy tsy ampy taona. Rehefa natao ny asa fikarohana dia fantatra fa toerana fisotroana antsoina hoe Palistone ao Antanamakoa parcelle 12/12 no mamory ireo mpianatra madinika ireo.
Nandritra ny fitsirihana natao tao amin’ity toerana ity dia zaza tsy ampy taona miisa 60 no tratra teo ampitsotroana sy ampifohana. Efa domelina moa ireto farany nandritra ny fandalovan’ireo zandary.

12 ka hatramin’ny 17 taona ireo mpidoroka sy mpisotro

Ankizy mpianatra madinika manodidina ny 12 ka hatramin’ny 17 taona ireo tonga misotro sy mifoka ao amin’ity toerana ity. Nahaton’ny zandary avy hatrany ny zavatra natan’ireo mpianatra tao amin’ity toerana ity, izay zava-doza tokoa na ho an’ny fahasalaman’izy ireo, na ho an’ny ho aviny. Rehefa izany dia nentina natao fitsirihana ara-pahasalamana sy nohadihadiana izy ireo. Nanaovana fitiliana any amin’ny laboratoara ihany koa mba entina hanaporofoana fa nisotro sy nidoroka zava-mahadomelina izy ireo.
Nandritra izany asa fitsirihina izany ihany koa no nisamborana ilay rangahy tompon’ny toerana, izay marihina moa fa izy ihany koa no sady mivarotra ao amin’io toerana io. Raha tsorina izany dia mamela malalaka ary mampirisika ireo zaza tsy ampy taona hidrooka sy hisotro ity rangahy ity.

Fandraisana andraikitra

Ny fisotroana sy ny fidorohana zava-mahadomelina toa izao dia mitarika ireo zatovo hanaonao foana. Vao tsy ela akory izay no nisy tovovavy kely miisa 3 voalaza ho voaolana. Andian-jatovolahy miisa telo moa no voaroiroy sy nosamborina tamin’izany raharaha izany. Ireto farany dia fantatra fa anisan’ireo mpikambana ao amin’ilay vondrona « Gool Den Team ».
Manoloana izao fivilian-dàlana ataon’ny ankizy izao, sy manoloana ny mety ho tsy fandriampahalemana mety ho aterak’izany dia tokony handray andraikitra ny tsirairay. Ankoatra ny ray aman-dreny, izay voakasika voaloha amin’izany fandraisana andraikitra izany dia entanina ihany koa ny mpiara-monina mba hanome fanabeazana tsara sy sahaza ireo ankizy. Mila araha-maso sy resahana izy ireny noho izany. Nampahatsiahy ihany koa ny teo anivon’ny zandarimaria fa « Zo sy andrainkitra feno na ho antsika lehibe na ho azy ireo izany mba hahatongavan’izy ireo ho olom-banona any ampara, ho reharehan'ny Firenena. »
Entanina ny tsirairay mba ho sahy mitoroka, ho sahy mitory, ho sahy hananatra na tsy zanaka nateraka ary.

Lire la suite

Articles Similaires