• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Jirama_Ofisialy
Image
Vaovao

Ranomafana : Fametrahana tobim-pamokarana herinaratra azo avy amin’ny rian-drano

07/04/2023 15:51 © Moov.Mg

Tontosa omaly ny fifanaovan-tsonia teo amin’ny Magasikara sy ny Repoblika entim-bahoakan’i Sina, izay fiaraha-miasa miompana amin’ny fametrahana tobim-pamokarana herinaratra.

Tafiditra tanteraka ao anatin’ny fanatsarana ny fisitrahana ny herinaratra eto Madagasikara izany ary hita ihany koa ao anatin’ny velirano faharoa napetraky ny Filoham-pirenena.

Tobim-pamokarana manana tanjaka 64MW

Tobim-pamokarana herinaratra azo avy amin’ny rian-dranon’Ikopa no ho apetraka eny Ranomafana, amin’iny làlam-pirenenana faha-IV iny. Fantatra ary fa hanana tanjaka 64 MW io toby io. Ary fomba iray hamenoana ny vokatra herinaratra vatsiana eto amin’ny tambazotra iraisan’Antananarivo no anisan’ny atom-pisian’io tetikasa io.Tanjona amin’izany ihany koa ny hanenana ny masonkarenan’ny famokarana herinaratra izay tanterahan’ny Jirama.

Tetikasa maro samihafa

Ankoatra io tetikasa fananganana fotodrafitrasa io dia hisy ihany koa ny asa fanitarana ny tobim-pamokarana herinaratra ao Madraka. Tanjaka 6MW fanampiny no ho azo amin’izany asa fanitarana izany. Efa mandroso ihany koa ny asa fametrahana toby famokarana herinaratra manana tanjaka 105 MW ao Ambohimanambola, izay vinavinaina ho vita amin’ity taona ity ihany koa ny asa fananganana azy. Ankoatra izay dia mitohy ny fanatanterahana ny tetikasa fanatsarana ny tambazotra mpitsinjara herinaratra izay ataon’ny eo anivon’ny Jirama.
Izao no atao dia ny mba hanatsarana ny fisitrahana ny herinaratra. Inoana ary fa tokatrano sy tanàna maro indray no hahazo hazavana sy herinaratra, izay marihina fa anisan’ny antoky ny fandriampahalemana sy ny fandrosoana.

Lire la suite

Articles Similaires