• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Vaovao

Manadriana : Talen’ny EPP sy olona roa maty notifirin’ny jiolahy

07/04/2023 08:52 © Midi Madagasikara

Maty notifin’ny jiolahy ny talen’ny EPP sy lehilahy roa hafa, izay nanao fanarahan-dia ireo dahalo nangalatr’omby, ny alarobia lasa teo.

Araka ny vaovao voaray, tokony ho tamin’ny 9 ora alina, notafihan’ny dahalo manodidina ny 20 lahy mirongo basy ny tanànan’Ambaiboho Ambatomikatsaka, distrikan’i Manandriana, faritr’Amoron’i Mania. Lasan’ireo olon-dratsy ny omby 12. Nanara-dia avy hatrany ny talen’ny EPP Ankaramainty, kaomin’Ivato Centre sy ny lehilahy roa nanampy azy. Ny fokonolona hafa kosa, niandry ary niaraka tamin’ireo zandary. Nandritra ny fanarahan-dia anefa nandrasan’ireo dahalo izy telo lahy ka, notifirin’izy ireo avy hatrany. Namoy ny ainy avokoa ilay talen’ny EPP sy ireo namany roa lahy. Nitohy hatrany ny fanarahan-dia nataon’ny fokonolona sy ny zandary ka tafaverina aloha ny telo tamin’ireo omby.

Tsy mbola tratra ny ambiny ary tsy nisy azo koa ireo dahalo. Voalaza fa mizotra mankany Ambatofitorahana ny dian’ireo dahalo. Any an-toerana ny zandary ary manampy tosika ny fokonolona. Anisan’ny mirongatra ihany koa ny asan-dahalo any amin’ny faritra any. Mitaraina ny vahoaka amin’ny tsy fandriampahalemana na an-tanan-dehibe na ambanivohitra. Manakaiky fety, tsy fisian’ny vola dia mirongatra ny asan-jiolahy. Mandy tsy lavo loha ary mitaintaina isan’andro ny olona. Ireo jiolahy rahateo tsy matahotra ny hamono intsony ary mirongo fitaovam-piadiana. Andaniny, tsy mahagaga raha mirongatra ny fitsaram-bahoaka rehefa mahatratra ireo olon-dratsy.

Na any amin’ny faritra izay tena tsy mitsitsy ihany koa ny olona rehefa mahatratra. Manomboka hita aty an-drenivohitra izany fomba izany. Eo ny endriky ny tsy fahafalian’ny vahoaka sy ny valifaty, fa eo ihany koa ny fiheveran’izy ireo fa tsy azo atokisana ny mpitandro filaminana. Ireto farany, manao izay ho afany ary tsy mitsitsy ihany koa rehefa sendra ireo jiolahy mitam-basy. Mandeha ny fanaran-dia sy ny fikarohana ireo olon-dratsy.

Yv Sam

Lire la suite

Articles Similaires