• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Vaovao

Tsy fandriam-pahalemana : Olona 163 voasambotra, roa maty teto an-drenivohitra

08/04/2023 06:16 © Midi Madagasikara

Iaraha-mahalala ny firongatry ny tsy fandriam-pahalemana eto an-drenivohitra sy ny manodidina. Antony nahatonga ny teo anivon’ny pôlisim-pirenena nanao hetsika manokana, entina mamongotra izany.

Raha ny antontan’isa navoakan’ny teo anivon’ny pôlisim-pirenena dia olona manodidina ny 300 mahery tany ho any no nanaovana fanadihadiana, na ny « examen de situation », teny anivon’izy ireo tato anatin’ny iray volana izay. Olona nahatratra hatrany amin’ny 163 kosa ireo voatery nosamborina noho ny fandikan-dalàna nataon’izy ireo ary natolotra teny anivon’ny Fampanoavana. Tao anatin’izany hetsika izany ihany koa no nahafatesan’ny pôlisy jiolahy miisa roa.

Ny resaka halatra no tena nibahan-toerana ary nahasamboran’ny pôlisy olona maromaro. Tafakatra hatrany amin’ny 75 izy ireo, araka ny fampitam-baovao azo hatrany. Ny 53 tamin’izy ireo no nadoboka am-ponja vonjimaika raha nomena fahafahana vonjimaika kosa ny ambiny. Ambonin’ireo ny halatra moto sy famakiana fiara. Ny resaka sinto-mahery sy ny fanendahana moa dia tsy lavitra teny ihany, ary nahasamborana olona am-polony maro. Ho an’ny fanafihana mitam-piadiana izay nisesisesy teto an-drenivohitra dia nisy efatra no voasambotra tamin’ireo tompon’antoka, ary jiolahy roa no maty voatifitra araka ny nambaran’ny polisy hatrany.

Ankoatra ny halatra sy ny fanafihana ary ny sinto-mahery dia niha-nahazo vahana ny resaka fidorohana, fisolokiana ary fanimbana fananan’olona. « Miisa 12 kosa ireo mpivarotra sy mpifoka rongony voasambotra. Olona iray kosa no tratra noho ny fanaparitahana sy fitazomana vola sandoka. Ho an’ny resaka fanimbana fananan’olona kosa dia miisa 05 no voasambotra. Olona miisa 12 kosa no notazonina noho ny resaka vono sy ratra niniana natao… »

m.L

Lire la suite

Articles Similaires