• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Vaovao

Behenjy : Voasambotry ny zandary ny mpangarom-paosy mpitety tsena

05/04/2023 08:58 © Midi Madagasikara

Mitety tsena indray izao ny mpangarom-paosy sy ny mpanendaka avy aty an-drenivohitra. Mila mailo ny rehetra ary tena mandeha lavitra ry zalahy ireo. « Efa fantatra endrika ry zalahy ka nasiana olona mpanara-maso. Miandry eny akaiky eny ny zandary. Vao hita fotsiny izy ireo hoe io fa nanao asa ratsiny dia noraisimpotsiny », hoy ny fanazavana avy amin’ny zandary.

Tra-tehaka tany Behenjy ny roa lahy efa ela nanaovana an’ity asan’ny mpangarompaosy isaky ny tsena ity. Tovolahy 30 taona avy any Anosizato ny iray ary 25 taona avy any Ambohimarina Andramasina ny iray. Nahatrarana finday efatra tany amin’izy ireo, ka na izy ireo aza tsy nahay nanazava intsony hoe azony taiza. Nahitana kasikety an’ny polisy amin’ilay tena izy iray, tsy fantatra izay nahazoany azy. Nahitana taratasy fahazoan-dalana mamily fiara. Atolotra ny fitsarana tsy ho ela izy roa lahy ireo. Nilaza ny zandary fa mbola misy mpangarom-paosy mpitety tsena mandendeha any. Mangataka ny fokonolona hanome tanana ireo zandary hatrany izy ireo.

Tsy ny tsena eto an-drenivohitra ihany araka izany no tetezin’ireo olon-dratsy fa hatrany amin »ireo tsena ambanivohitra. Maro ny efa tratra raha ny teto Antananarivo indrindra amin »ireo tsena lehibe toy ny eny Andravoahangy, Mahamasina, Behoririka sns. Manao andiany ary miandahy miambavy mihitsy ireo olon-dratsy amin’izany. Misy ihany koa ireo ankizy manao izany asa ratsy izany. Manao izay ho afany ny mpitandro filaminana, maro ny tratra fa manao hevi-petsy ihany koa ireo jiolahy ary miketrika andaniny.

Lire la suite

Articles Similaires