• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Vaovao

Antanimena : Vaky fiara, vola « devises » maromaro lasa

03/04/2023 11:38 © Midi Madagasikara

Vola manodidina ny 900 dolara (efatra tapitrisa ariary latsaka any ho any), niaraka tamin’ny kitapo miisa roa, izay nisy tablette, solosaina ary antontan-taratasy maromaro no lasan’ireo tsy mataho-tody ny herinandro lasa teo, tetsy Antanimena.

Izany dia nandritra ny fahavakisan’ny fiara iray nihantsona teny an-toerana, tokony ho tamin’ny efatra ora maraina tany ho any. Raha ny voalaza dia mety ho efa notilian’ilay olon-dratsy mialoha ilay fiara, ka nandrasany fotsiny ny tsy nahateo ilay tompony. Avy hatrany moa dia novakiany ny fitaratr’ilay fiara, nalainy ireo entana tao ary nitsoaka toy tsy teo ingahirainy.

Niditra an-tsehatra avy hatrany tamin’ny fikarohana izay nahavanon-doza ny pôlisy avy eo anivon’ny SUT ao amin’ny kaomisaria foibe ao Tsaralalàna, rehefa naharay ny fitarainana avy tamin’ilay lasibatra. Rehefa nampiasaina avokoa ny angom-baovao isan-karazany dia nifanenjehana teny amin’iny faritra Andavamamba iny ilay tompon’antoka : lehilahy iray tokony ho 40 taona tany ho any. Tsy lasa lavitra moa ity farany dia voasambotra, noho ny fahaiza-manaon’ireo mpitandro filaminana. « Mbola tratra teny aminy avokoa ny entana avy nangalariny », hoy ny fampitam-baovaon’ny pôlisy ary efa naverina tamin’ny tompony izany. Nentina avy hatrany nihazo ny kaomisaria moa ity olon-dratsy. Notanana natao andrimaso ho amin’ny famotorana, talohan’ny nanaterana azy teny anivon’ny Fampanoavana. Fantatra fa nadoboka am-ponja vonjimaika eny Antanimora ny lehilahy taorian’izay, miandry ny fotoam-pitsaràna azy.

Lire la suite

Articles Similaires