Fifanampiana : Hanampy an’i Turquie i Madagasikara
Handefa fanampiana ho an’ny Turquie arakakarak’izay fahafaha-manaony ny firenenana malagasy.
Noraisina nandritra ny filan-kevitry ny ministra omaly 22 martsa izany fanapahan-kevitra izany. Mahakasika manokana ny Ministeran'ny Toe-karena sy ny Fitantanam-bola moa ny fanatanterahana izany. Vao tsy ela akory izay no nahazo taratasy fangatahana fanampiana maika amin’ny maha-olona, avy amin’ny firenenana Tiorka ny governemanta malagasy. Tafiditra tanteraka ao anatin’ny fiaraha-miasan’ny roa tonta ihany koa izany fifanampiana izany.
Namoizana aina maro efa maherin'ny 2 600 isa, sy niteraka faharavana goavana tokoa ilay horohoron-tany niseho tao Turquie. Tsiahivina moa fa nahatratra magnitude 7,7 izany fihetsehan'ny tany izany. Kasaina izao fandefasana fanampiana izao mba ahafanan’ny firenenena Tiorka miarina indray taorian’io loza ara-boajanahary goavana io.
_Mangataka fanampiana amin'ny firenena eran-tany izay afaka manome fanampiana i Turquie. _