• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Moov.Mg
Image
Vaovao

21 martsa - Andro farany : Firaisankina amin'ny fandraisana ny taombaovao Malagasy 2023

21/03/2023 22:31 © Moov.Mg

Nitora-jofo Antananarivo sy ny manodidina ny harivan'ny 21 martsa. Teny amin'ny kianjan'ny Kanto Mahamasina sy teny amin'ny Rovan'Ambohidrabiby no nitotorebika ny teto Antananarivo Renivohitra ny hariva teo. Mbola mitohy hatrany moa ny fety andraisana ny taombaovao Malagasy 2023.

Maha-velom-bolo ny fahavitrihan'ny Malagasy mandray anjara amin'ny fitsenana ny taombaovao 2023. Namoaka arendrina ny ankamaroan'ireo ray aman-dreny mba ampifalifaliana ny ankizy. Ny tena nanamarika anio moa dia ny fandraisana ny Afo Tsy Maty izay niainga avy eny amin'ny Rovan'Ambohidratrimo. Tsiahivina moa fa ny Afo dia fandroahana ny herin'ny ratsy mba hitondra soa ho an'ny tsirairay ny taona vaovao. Lalao sy korana ary tsodrano no azo amintinana ny tontolo andron'ny anio.
Raha ny teny amin'ny Rovan'Ambohidrabiby manokana, tamin'ny 2 ora tolakandro teo ho eo no nandrehetana ny Afo Tsy Maty. Tamin'ny 6 ora hariva ny fizarana Arendrina sy labozia ka nahafahan'ny rehetra nitondra fanilo manodidina ny lapa.

Mbola maro ny Malagasy no tsy nahare firy mikasika ny taombaovao 2023. Andro fiasana rahateo moa no anatanterahana ny fankalazana. Irariana mba hisy firaisan-kina bebe kokoa amin'ny taona ho avy, indrindra moa fa ny fandraisan'anjaran'ny mpitondra fanjakana.

Lire la suite

Articles Similaires