• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Micc
Image
Vaovao

Ady amin'ny fiakaram-bidin'ny PPN : Manara-maso ny vidim-bary ny Ministeran'ny Varotra

21/03/2023 21:48 © Moov.Mg

Tsikaritra tato ho ato fa tsy mitsaha-mitombo ny vidin'ny vary eny an-tsena. Manao bemidina mampanara-dalàna ny mpivarotra ny MICC hiadiana amin’ny fampakarana tsy ara-drariny ny vidim-bary, eto Antananarivo sy ny manodidina.

Fitsirihana sy fanomezana

Efa manana programa maty paika amin'ny fanaraha-maso ny vidin'entana eny an-tsena ireo mpanara-maso avy amin’ny Minisitera misahana ny Varotra sy ny Fanjifana (MICC). Izany moa no natao dia isorohana ireo fanararaotana amin'ny vidin'ny PPN. Tsy maintsy manana faktiora mazava ireo mpanjinjara sy mpamongady mba isorohana ny fampiakaram-bidy tsy ara-drariny.
Etsy ankilany dia mitohy ny fanaterana Vary Tsinjo eny amin’ireo mpivarotra amin’ireo toerana be mponina eto Antananarivo sy ny manodidina. Ny Alatsinainy 20 Marsa 2023 teo dia tsenakely 184 any anatin’ny Fokontany 55 no nahazo vary 45,55 taonina. Amidy amin’ny 650 Ar moa ny kilao amin’io vary io. Heverina fa fanomezana lehibe ho an'ny mpanjifa ny vary mora satria tsy latsaky ny 40% ny tahiry azo atao.

Vahaolana mahomby
Maro ny antony mety mampiakatra ny vidim-bary, eny fa na dia tsy te hanova vidy aza ireo mpivarotra. Ny mpamokatra eny ifotony no mety mampiakatra ny sandan'ny vary, tsy adino ihany koa ny fepetran'ireo mpitatitra noho ny haratsin'ny lalana.
Tsara ny anaovan'ny MICC fitsidihana ifotony eny ampin'ny mpamokatra mba ahazoany ny "prix de référence". Ho mora amin'izay ny mamantatra ny vidin'entana ara-drariny eny an-tsena.

Lire la suite

Articles Similaires