• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Mtp
Image
Vaovao

Moramanga : Manomboka ny fanamboaran-dàlana. Hiato ny fifamoivozana.

21/03/2023 17:14 © Moov.Mg

Hiroso amin’ny fanamboran-dàlana eo anelanelan’ny « station Shell » sy « station Jovena » ao Moramanga ny ministeran’ny Asa vaventy anio alina. Izany dia noho ny fahasimban’io ampahan-dàlana io izay nampikaika ny mpampiasa làlana tokoa, efa nandritra ny fotoana maharitra izay.

Ampandrenesina ny besinimaro fa ho tapaka tanteraka ny làlana anio hariva, eo anelanelan’ny amin’ny 9 ora alina sy amin’ny 3 ora maraina. Marihina fa tsy hisy ny fivilian-dàlana na ny déviation mandritra izany asa fanamborana izany.
Mandritra io fotoana voafaritra io dia hanatanteraka ny fanarenana ny làlana manomboka eo amin’ny PK 100 hatrany amin’ny PK 113, eo anelanelan’ny « station de pesage » Antsirinala, hatrany amin’ny fivoahana ny tànanan’i Moramanga ary ihany koa ny làlam-pirenenana faha 44 eo amin’ny PK 0 hatrany amin’ny PK 7. Rehefa izany dia hiverina amin’ny laoniny ny fifamoivoizana.
Manoloana ny fanelingelenana mety ho aterak’izany asa fanamborana izany dia mametraka ny fialan-tsiny ny ministera ary miantso ireo mpampiasa làlana mba hanaraka sy hanaja ireo toromarika rehtra omen’ny tompon’andraikitra any an-toerana. Izany no atao dia mba hanafaingana ny asa sy hialana amin’ny loza mety hiseho.

Lire la suite

Articles Similaires