• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Vaovao

Lalamby Ampefiloha : Tovovavy voaendaka teny ambony môtô

21/03/2023 09:21 © Midi Madagasikara

Nanararaotra ny fandehan’ity kodiaran-droa mora, noho ny fisian’ny dongona teo amin’io lalam-by teo Ampefiloha ity tontakely ka tsy nisalasala nanendaka avy hatrany ity tovovavy iray, nitaingina môtô.

Anisan’ny toerana mafana raha resaka tsy fandriampahalemana iny faritry ny lalamby eny Ampefiloha iny, indrindra moa fa raha manomboka mirotsaka fotsiny ny haizina. Tsy afa-bela ary lasibatra amin’izany, na ireo mpandeha tongotra na ireo mpiandry taxi-be, eny fa na hatramin’ireo mpitondra fiara sy ny mpitondra môtô aza. Toa ity tranga niseho teny an-toerana ny sabotsy alina ity. Tokony ho tamin’ny sivy ora latsaka fahefany teo mantsy, vehivavy iray nitainga môtô no nataon’ireo mpanendaka nitondra faisana. Voasinton’ireo tsy valahara teny aminy ny findainy ary lasa. Soa ihany fa eo anatrehan’ny tranga izay efa mampitairana ny mponina maro eny an-toerana dia misy foana ny fisafoana tsy an-kiato, ataon’ny eo anivon’ny pôlisy. Miara-miasa tanteraka amin’izany ry zareo avy eo anivon’ny Hery vonjy taitra, na ny FIP, manampy ireo pôlisy eo anivon’ny kaomisarian’ny boriboritany fahefatra. Tamin’io fotoana io dia sendra ny pôlisy nanao fisafoana mihitsy ny antso vonjin’ilay tovovavy. « Araka ny zava-nisy teny an-toerana, lehilahy iray izay monina tsy lavitra teo no tompon’antoka amin’ity asa ratsy ity. Somary maizimaizina iny toerana iny, ary nandeha moto ity tovovavy ity ka noendrasan’ilay jiolahy teo amin’ny lalamby izay tsy maintsy handehanany mora noho ny fisian’ny dongona eo amin’iny lalana iny.

Nosintoniny tao amin’ilay paosin’ity farany ilay finday ka nitsoaka izy » hoy ny fampitam-baovao azo. Vantany vao nahare ny antso vonjy ireo pôlisy dia nandray andraikitra ary niezaka nanenjika ilay olon-dratsy. « Tsy lavitra teo ilay jiolahy dia voasambotra. Mbola tra-tehaka teny aminy ilay finday izay avy nangalariny » araka ny vaovao azo hatrany. Marihana fa tsy vao izao ity tovolahy tratra ity no manao ity asa ratsiny ity fa efa imbetsaka, saingy izao vao voasambotra. Voalazan’ny vaovao hatrany fa izy no anisan’ireo tompon’antoka amin’ny fanendahana sy sinto-mahery eny amin’izany toerana izany. Nentina avy hatrany nihazo ny biraon’ny kaomisaria moa ity farany, ho amin’ny famotorana azy. Natolotra teny anivon’ny Fampanoavana kosa omaly.

Lire la suite

Articles Similaires