Vaovao
Andekaleka : Teknisianin'ny JIRAMA amperin'asa 3 matin'ny lozam-pifamoivozana
Lozam-piaran-dalamby no nitranga, alina teny Andekaleka. Vokany, 3 no maty ary 2 no naratra, izay samy mpiasan'ny JIRAMA avokoa. Misitraka fitsaboana eny amin'ny Centre médico-social d'Andekaleka ireo naratra.
Efa midina eny an-toerana ny tompon'andraikitra eo anivon'ny Minisiteran’ny Angovo sy ny Akoranafo, ny ministeran'ny Filaminam-bahoaka ary ny JIRAMA. Efa misokatra ihany koa ny fanadihadihana ny amin'ny nahatonga ny loza. Handinika fepetra maharitra anamafisana ny fiarovana ny mpiasa rehetra eny ao Andekaleka sy ny manodidina ihany koa izy ireo.
Ny Fianakavimben’ny Minisiteran’ny Angovo sy ny Akoranafo dia miondrika am-panajana manoloana ireo teknisianina telo,mpiasan’ny JIRAMA.