• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Mef
Image
Vaovao

"Ankizivavy Mianatra, Vehivavy Miavotra" : Fahombiazana ny hetsika 100 andro

16/03/2023 18:20 © Moov.Mg

Nofaranana androany 16 Martsa 2023 ny hetsika "Ankizivavy Mianatra, Vehivavy Miavotra" izay notanterahana nandritra ny 100 andro teto Madagasikara

Fanabeazana, fanomezana asa mendrika ary ady amin’ ny herisetra

Nimasoana nandritra izay 100 andro izay ny fanentanana ny amin'ny ahafahan'ny ankizivavy mandeha an-tsekoly, ny fampiofanana arak'asa ary indrindra ny fandraisana an-tanana ireo vehivavy niharan'ny herisetra. Nanamarika tanteraka izany hetsika izany ihany koa ny nanampiana sy nitadiavana vahaolana mba hahaleotena ny Vehivavy amin'ny fihariana ara-toekarena.
Nanome voninahitra ity fotoana ity ny vadin'ny Filoham-pirenena, Ramatoa Mialy Rajoelina izay nitarika ity hetsika ity niaraka tamin'ny Banky Iraisam-pirenena. Tsy adinony ny nanamafy fa "Ny fianarana no hany lalana ho an'ny Fampandrosoana ara-toekarena eto amin'ny firenena". Tonga nanotrona ity fotoana ity ihany koa ny Filohan'ny Antenimieram-pirenena, Ramatoa RAZANAMAHASOA Christine, sy ireo mpikambana ao amin'ny Governemanta. Anisan'izany Ramatoa RABARINIRINARISON Rindra Hasimbelo, Minisitry ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola.

Ezaka mitohy, vokatra maharitra

Araka ny nambaran'ny Solontena Maharitry ny Banky Iraisam-pirenena eto Madagasikara, Ramatoa Marie Chantal Uwanyiligira, maherin'ny 25%-n'ny vehivavy malagasy no mbola tsy mahay mamaky teny, mikajy ary manoratra. Mbola ambony ihany koa ny tahan'ny herisetra. Tsy adino ny zo tsy mitovy amin'ny an'ny lehilahy eo amin'ny mari-karama. Mba ahitana vahaolana maharitra, mbola mitohy ny fandaharan'asa iarahan'ny fanjakana malagasy amin'izy ireo ho an'ny fahaleovan-tenan'ny ankizivavy sy ny Vehivavy. Entina eny anivon'ny Filan-kevimpitantanan'ny Banky Iraisam-pirenena moa izany.

Lire la suite

Articles Similaires