Vaovao
Romy Andrianarisoa : Fomba fiasa haingana sy mirindra, azo refesina
Mandray ny asany amin’ny fomba ofisialy anio i Romy Andrianarisoa, directeur du cabinet civil à la présidence de la République vaovao. Tontosa androany tolakandro ny famindram-pahefana teo aminy sy ny mpitantana teo aloha, Baomiavotse Vahinala Raharinirina
Hametraka fomba fiasa haingana sy mirindra hamitana ireo velirano napetraky ny filoham-pirenena ny tenany. Hanohana ny ministera tsirairay izy mba hanamorana ireo asa miandry rehetra. Ao anatin’ny 6 volana dia asa mivaingana, azo refesina, mba ho tombony ho an'ny vahoaka Malagasy.
Tsiahivina fa anisan'ny imasoan'ny fitondram-panjakana ny ara-tsosialy, ny fahaleovan-tena ara-tsakafo, ny fahasalamana ary ny fanabeazana.