Vaovao
Toliara : Nojerena manokana ireo ankizy
Ankizy 2 hatramin’ny 14 taona miisa 7200 avy amina sekoly tsy miankina sy sekolim-panjakana miisa 8 ao Toliara no nizarana fanomezana
Tao amin'ny kianja Kira Andaboly no nanatanterahana ny fizarana. Ireo fanomezana ireo moa dia avy amin'ny ankizy amerikana ka ny fanomezana tsirairay dia mety ahitana karazana kilalao, vatomamy, fitaovam-pianarana, fitafiana vaovao na vola mitentina hatramin’ny 100.000ar isaky ny ankizy. Amin'ity taona ity dia zaza malagasy miisa 380.000 manerana ireo Faritra 23 no hisitraka ireo fanomezana ireo.
Nifanome tanana ny ONG kristianina Samaritan’s Purse sy ny ONG Tetikasa Ankizy Krismasy ( TAK) ary ny fitondram-panjakana.