• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Présidence_De_La_République_De_Madagascar
Image
Vaovao

Rivodoza Freddy - Toliara II : Nisitraka fanampiana ireo traboina tao Ankililaoka

13/03/2023 05:21 © Moov.Mg

Anisan'ny nitondra takaitra nandritra ny fandalovan'iny rivodoza Freddy iny ny kaominina Ankililoaka ka tsy diso anjara tamin'ny fizarana ireo fanampiana avy amin’ny Fitondram-panjakana ny mponina ao an-toerana.

Ankoatra ny vary, menaka, voamaina sy ireo kojakoja isan-karazany dia notolorana ny jiro mandeha amin'ny herin'ny masoandro na "kits solaires" ireo vahoaka. Notsahivin'ny Filoha Andry Rajoelina fa nisitraka ireo fotodrafitrasa napetraky ny Fitondram-panjakana manakaiky vahoaka sy mifanaraka amin’ny filan’ny vahoaka ny kaominina Ankililoaka toy ny CSBII manara-penitra sy ny tetezana Ranozaza izay efa vita ankehitriny. Hamahana ny olan’ny herinaratra dia hafainganina ihany koa hoy izy ny fametrahana "parc solaire" ao Ankililoaka mba hisitrahan'ny tokantrano rehetra ny herinaratra.

Tsy diso anjara ihany koa ireo tantsaha mpamboly fa nomena masomboly ihany koa izy ireo hanarenana ireo voly ravan’ny rivodoza. Tsy adino ihany koa ireo fikambanam-behivavy izay omena fiofanana sy fitaovana mba hahaleo tena.

Ireo fanampiana natolotra ny traboina


Copyright Image : © Présidence_de_la_République_de_Madagascar

Ireo traboina naneho hafaliana rehefa avy notolorana fanampiana


Copyright Image : © Présidence_de_la_République_de_Madagascar

Lire la suite

Articles Similaires