• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Présidence De La République De Madagascar
Image
Vaovao

Hazavana ho an'ny rehetra : Notokanana ny JIRAMA Shop Anosizato

11/03/2023 06:05 © Moov.Mg

Entina hanatsarana ny tolotra omen'ny orinasa JIRAMA sy mba hanakaiky bebe kokoa ireo mpanjifa dia natsangana ny Jirama Shop. Nitokana izany fotodrafitrasa izany tao Anosizato ny Filoham-pirenena ny 10 martsa 2023.

Ity fotodrafitrasa ity, izay hapetraka manerana ny Nosy, dia hanamora ny fampidirana jiro ho an'ireo tokantrano amin'ny alalan'ny "guichet unique", hahafahana manjifa ireo fitaovana fampidirana jiro sy handray ny fitarainan'ireo mpanjifa.

Hafainganina hoy ny Filoha Andry Rajoelina ny fanatanterahana ny velirano faharoa, ny hazavana ho an'ny tokantrano tsy an-kanavaka, izay antoky ny fiharian'ny tokantrano sy ny fampandrosoana. Mitohy ary ampitomboana hoy izy ireo mpisitraka ny tetikasa "branchement mora" izay vatsian'ny Banky Iraisam-pirenena mba hahafahan'ireo tokantrano marefo mahazo herinaratra. Ny fanamby, hoy hatrany ny Filoha, dia ny fizarana ireo "kits solaires" ho ana fianakaviana miisa 1 tapitrisa manerana an'i Madagasikara amin'ity taona ity. Eo ihany koa ny fananganana ireo "parcs solaires" amin'ireo distrika manerana ny Nosy ka hampihena hatramin’ny 75% ny vidin-jiro alohan’ireo mpanjifa.

Lire la suite

Articles Similaires