• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Mesupres
Image
Vaovao

Vontovorona : Afaka mipetraka ankalalahana eny amin’ny trano fonenany ny mpianatra

10/03/2023 17:29 © Moov.Mg

Taorian’ny savorovoro izay nisy teny Vontovorona, nandritra ny andro maromaro izay, dia nandeha ny resaka fa haato mandritra ny fotoana tsy voafetra ny fampianarana eny anivon’ny Ecole Polytechnique de Vontovorona, ary ho akatona ihany koa ny oniversite. Ankoatra izay dia nisy ihany koa ny resaka teny amin’ny tambajotran-tserasera fa voaroaka tsy mahazo mijanona eny an-toerana intsony ny mpianatra.

Manoloana izany siosion-dresaka izany dia nivahiny teo anivon’ny Televiziona malagasy ny ministra mpiahy, Assoumacou Béatrice, anio, ary nitondra fanazavana bebe kokoa momba ny toe-java-misy.

Tsy voaroaka ireo mpianatra

Nandritra ny fandraisany fitenana no nilazan’ny ministra fa tsy marina ny filazana fa voaroaka ary tsy mahazo mipetraka eny anivon’ny oniersite intsony ireo mpianatra. « Afaka mipetraka ankalalahana eny amin’ny trano fonenany hatrany ireo mpianatra », hoy hatrany ny ministra, ary « tsy misy ny mpianatra mibata ny entany ».
Namafisiny ihany koa fa tsy nisy ny baiko na ny taratasy avy amin’ny ministera mpiahy, eny na dia ny teo anivon’ny CROUA aza, izay mandroaka ireo mpianatra tsy hijanona eny amin’ny « campus universitaire » eny Vontovorona. Afaka mivezivezy malalaka eny an-toerana izy ireo noho izany. Hatreto dia tsy misy ihany koa ny tataratasy na ny lalàna milaza fa mitsahatra ny fampianarana eny an-toerana. Eny, ankehitriny dia efa misokatra ary miverina amin’ny laoniny ny eny amin’ny Oniversite Vontovorona.
Nandritra ny fivahinianana tao amin’ny televiziona malagasy dia nanambara ny ministra fa miroso amin’ny famarinana sy famaranana ary fankatoavana ny listry ny mpianatra hisitraka ny vatsim-pianarana izy ireo sy ireo mpiara-miasa rehetra. Rehefa vita izay vao afaka miroso amin’ny fangatahana hampiasana ilay vola efa vonona ao amin’ny kitapom-bolan’ny ministera.

Lire la suite

Articles Similaires