• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Micc
Image
Vaovao

Fanendahana teny Faravohitra : Lasibatra indray ihany koa ny mpianatra

10/03/2023 10:13 © Midi Madagasikara

Raha iny teo am-pivoahana ny elakelan-trano fitsoahany rehefa avy manao ny asa ratsiny iny ingahirainy no noraisim-potsiny.

Sendra nisy pôlisy nanao fisafoana mantsy tamin’izany lalana izany. Ity lehilahy ity, izay raha ny fantatra dia vao avy nanendaka mpianatra tsy lavitra teo. Mirongatra tanteraka ary tsy mifidy harapaka intsony amin’izao ireo tontakely. Manomboka hatrany amin’ny mpianatra ka hatramin’ireo olona efa nahazo taona, dia saika lasibatra avokoa. Toy ity tetsy Faravohitra ity, ny andron’ny valo martsa lasa teo. Mpianatra iray handeha hamonjy ny kilasy no voaroba finday teny an-toerana. Teo amin’ny iray ora tolakandro teo, « mpianatra nandeha namonjy fidirana no narahiny moramora avy aty aoriana. Rehefa variana niantso moa iry voalohany no sady nihazo ny lalana tsy dia be mpifamezivezy no nosintoniny ny finday teny an-tanany ary lasa nitsoaka izy ». Ny tsy fantatr’ity tontakely ity anefa dia efa nisy pôlisy niandry azy fotsiny teo am-pivoahan’ny elakelan-trano nitsoahany. Niantso vonjy tamin’ny pôlisy avy hatrany mantsy ilay niharam-boina ary nandray andraikitra avy hatrany ireto farany. « Tsy lasa lavitra fa nifanehatra tamin‘ireo polisy nanao fisafoana nivoaka ny elakelan-trano izy ka noraisim-potsiny. Nandritra ny fisamborana azy dia mbola tratra teny aminy ny finday miisa roa vao avy norobainy tamin‘ilay mpianatra ». Marihina araka ny fanazavana azo avy tamin’ny pôlisy hatrany fa olona monina eny amin’iny Andravoahangy iny ity tontakely voasambotra ity, kanefa dia eny amin’iny faritra Faravohitra iny no manao ny asa ratsiny . Fa mbola resaka fanendahana hatrany, ramatoa lehibe iray, ihany koa, no lasibatry ny mpanendaka tetsy Mahazo, teo amin’ny tobim-piantsonan’ireo taxi-brousse mihazo an’i Manjakandriana sy Mantasoa, amin’iny lalana mihazo an’Ambatomaro iny. Raha ny nambaran’ity olona lasibatra ity dia ny findainy sy vola no lasan’ireo olon-dratsy tamin’izany. Mazava ho azy, vao nahazo izay nilainy moa ireo olon-dratsy dia nitsoaka toy tsy teo, ary tsy hita tany nanjavonana intsony.

Lire la suite

Articles Similaires