• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Université D'Antananarivo
Image
Vaovao

Fampianarana ambony : Nakatona ny Ecole Supérieure Polytechnique Vontovorona

09/03/2023 21:34 © Moov.Mg

Nakaton'ny filohan'ny Oniversiten'Antananarivo, Pr Mamy Ravelomanana, ny Sekoly Ambony Polytechnique Vontovorona.

Nandefa taratasy fampilazana ireo tompon'andraikitra isan-tsokajiny ao amin'ny Sekoly Ambony Polytechnique Vontovorona ny filohan'ny Oniversiten'Antananarivo. Nambaran'ity farany fa mikatona manomboka anio 09 martsa 2023 aloha ny sekoly. Izany no natao dia mba itandrovana ny filaminam-bahoaka eny an-toerana.

Nambara tamin'ny filazana an-tsoratra ihany koa fa mila miala ny trano fonenany ireo mpianatra. Izay tsy afaka manao izany dia tsy maintsy manaja ny filaminana sy ny fandaminana eny an-toerana.

Nampahatsiahivin'ny filohan'ny Oniversité fa tsy maintsy mangataka alalana ireo mpianatra vao mahazo miroso amin'ny fitakiana faobe. Tsiahivina ihany koa fa ao amin'ny faritry ny sekoly ihany no tokony anatanterahana izany.

Lire la suite

Articles Similaires