• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Mtp
Image
Vaovao

Ministeran’ny Asa vaventy – ministeran’ny Fitaterana : Hisy ny fiaraha-miasa eo amin’ny roa tonta

09/03/2023 17:08 © Moov.Mg

Nanatanteraka fihaonana anio ny ministry ny Asa vaventy, ny Kolonely Ndriamihaja Livah Andinatrehina, sy ny ministry ny Fitaterana sy ny Famantarana ny toetry ny andro, Valery Ramonjavelo.

Nandritra izany fihaonana izany dia tapaka fa hisy ny fiaraha-miasa eo anivon’ny ministera roa tonta.

Fitandrona ireo lalàna mifehy ny làlana

Voaresaka manokana nandritra izany fihaonana izany ireo teboka lehibe mahakasika ny fitandrona ireo lalàna mifehy ny làlana. Ny fanarahana ny lalàna mifehy ny làlana sy ny fanajana ireo fotodrafitrasa tokoa dia làlana iray hialana amin’ny ireo lozam-pifamoivoizana isan-karazany izay mety hiseho. Manampy amin’ny fikolona ny fotodrafitrasa izay napetraka ihany koa izany no sady mampitombo ny faharetany.
Fantatra ary fa hiompana amin’ireto teboka manaraka ireto ny firaha-miasa eo amin’ny roa tonta :

Fitandrovana sy fiarovana ireo fotodrafitrasa eny amin'ny làlana toy ny tetezana, amin'ny fampiharana ny làlana mifehy ny lanjan'ny entana azo entin'ireo fiara vaventy (camion).

Fampiasana ireo "aire de repos", na ireo toerana natokana hakana aina, izay napetraka eny amin'ireny làlam-pirenena ireny.

Momba ireo "station de pesage", na ireo toerana fandanjana, izay manana ny lanjany amin'ny fitandrovana sy fiarovana ireo lalam-pirenena tsy ho simba.

Zava-dehibe tokoa izao fifanantonana eo amin’ny roa tonta izao satria mifampiankina tanteraka ny andraikitra eo amin’izy ireo. Heverina hitondra voka-tsoa eo amin’ny resaka fitanterana sy ny fikajiana ny fotodrafitrasa mikasika ny làlana izao fiaraha-miasa izao.

Lire la suite

Articles Similaires