• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Mpeb
Image
Vaovao

Rivodoza Freddy - Toliara : Nidina nijery ireo asa fanamboarana ny Praiministra

09/03/2023 15:55 © Moov.Mg

Tonga nitsidika ny tanànan’ny Toliara hijery ireo asa fanarenana sy fanamboarana tokony ho tanterahina ny Praiministra Ntsay Christian, sy ireo manampahefana isan-tsokajiny, toa ny ministry ny Jono sy ny Toekarena manga, Paubert Mahatante, sy ny ministry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, Haja André Resampa.

Tafiditra tao anatin’izany indrindra ny fanombohana ny asa fanamboarana ny tambohon’ny fonjaben’ny Toliara.

Fametrahana ny vato-fototra hanarenana ny tambohon’ny fonjaben’ny Toliara

Nandritra ny fandalovany tao amin’ny fonjaben’ny Toliara anio no nametrahan’ny Praiministra ny vato-fotra ho fanombohana ny asa fanamboarana ny tamboho izay nirodana taorian’ny fandalovan’ilay rivodoza Freddy. Fantatra nandritra ny fandraisan’ny lehiben’ny governemanta fitenenana ary, fa foto-drafitrasa manara-penitra no hajoro, ary efa nahazo alàlana avy amin’ny filoham-pirenena izany. Izao no atao dia ny mba hiala amin’ny mety ho faharavana indray, ary ihany koa mba hanana foto-drafitrasa tsara eo anivon’ny fonja.
Ho tanterahina manomboka anio, noho izany, ireo asa isan-karazany mifandraika amin’ny fanarenana io tambohon’ny fonjaben’ny Toliara io.

Fanatanterahana asa vonjimaika hafa

Tsy ny fonjaben’ny Toliara ihany anefa no notsidihin’ireto delegasiona avy amin’ny fitondram-panjakana ireto. Tao ihany koa ny fijerena ireo foto-drafitrasa hafa, izay nahitana fahasimbana noho ny fiverenan’io rivodoza io tany amin’ny morontsiraka atsimo andrefan’i Madagasikara. Tafiditra tao anatin’izany ny fijerena ny asa fanadiovana ny lakandranon’ny digue Kiambe bas Toliara. Natao izao fidinana ifotony izao mba hamerenana amin’ny laoniny ny tanànan’ny Toliara, ary ihany koa mba ho fanampiana ireo traboina.
Ankehitriny dia mbola mitohy ny asa fitsinjovana ireo traboina ataon’ny fitondram-panjakana sy ireo mpiara-miombon’antoka isan-tsokajiny. Mandalo ihany anefa izany satria tsimaintsy hiverina hiatrika ny andavan’androm-piainana indray ireo vahoaka afaka andro vitsivitsy.

Lire la suite

Articles Similaires