• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Mjs
Image
Vaovao

Rivodoza Freddy : Nijery ifotony ireo traboina tao Toliara ny Fanjakana Malagasy

09/03/2023 06:08 © Moov.Mg

Notolorana fanampiana ireo traboina tao Toliara. Nisy ihany koa ny fizarana sakafo masaka, izay niandraiketan'ireo tompon'andraikitra ambony.

Tonga nijery ifotony ireo traboina sy fahasimbana vokatrin'ny fandalovan'ny rivodoza Freddy tao Toliara ny Praiminisitra NTSAY Christian sy ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, Andriamatoa André Haja RESAMPA, ary ireo mpikambana vitsivitsy ao anatin'ny Governemanta misolotena ny fitondram-panjakana amin'ny fandraisana an-tanana ireo vahoaka traboina ao an-toerana.

Nitondra fanampiana hanarenana ny fiainan'ireo traboina ny fitondram-panjakana mba hiverenan'izy ireo hamonjy ny toeram-ponenany tao aorian'ny fandalovan'ny rivodoza izao.

Lire la suite

Articles Similaires