• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Prm
Image
Vaovao

8 martsa 2023 : Fanabeazana ny ankizivavy, fampizakan-tena ny vehivavy, antoky ny fampandrosoana lovain-jafy.

09/03/2023 05:52 © Moov.Mg

8 martsa 2023 : Fikambanam-behivavy miisa 600 avy amin'ny lafivalon'ny Nosy no nanao diabe tao amin'ny kianja Barea Mahamasina, nandritra ny ivon'ny fankalazana ny andron’ny iraisam-pirenena ho an'ny zon'ny vehivavy.

Nanatrika izany teny an-toerana ny Filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina sy ramatoa vadiny, Mialy Rajoelina, izay reny mpiahy ny vehivavy malagasy rehetra.

Nandritra ny lahateny izay nataony dia tsy adinon-dRamatoa Mialy Rajoelina ny nitondra ny teny fankaherezana manokana ireo fianakaviana traboina, ireo izay namoy havana sy rava fananana noho ny rivo-doza nandalo teto amintsika farany teo.
Mikasika ny fampiroboroboana ny vehivavy malagasy dia naneho ny faniriany ny tenany ny mba hisitraka fanabeazana ny ankizivavy tsy an-kanavaka, hizaka tena ny vehivavy fa tsy ho voahilikilika eo anivon’ny tokantrano ary ho vahaolana eo anivon’ny Firenena. Tsy tokony ho fanaka malemy, na ravaky ny tokantrano intsony ihany ny vehivavy, hoy hatrany ny vadin'ny Filohan'ny Repoblika, fa manana andraikiny sy ny toerany eo amin’ny fiarahamonina ary izy ireo fototry ny fampandrosoana ny firenena.

Ny vehivavy malagasy rahateo dia manana fahaiza-manao hahafahany mizaka tena. Noho izany indrindra no nanamafisana ny fiofanana ho an’ireo vehivavy avy amin’ny Faritra 23 mba hahafahany manatanteraka ireo vina sy tetikasany. Tao ny fiofanana izay natao teny amin’ny lapam-panjakana Iavoloha nandritra ny telo andro, tao ihany koa ny fiofanana momba ny fambolena izay natao tany amin’ny CAFPA Mahitsy nandritra ny dimy andro. Ankoatra ireo dia nisy ihany koa ny fikarakarana ny lafiny fahasalamana tamin’ny alalan'ny fitsaboana mitety vohitra antsoina hoe "sarobidy ny aiko".

Lire la suite

Articles Similaires