• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Direction Générale Des Douanes Madagascar
Image
Vaovao

08 martsa 2023 - Douanes Malagasy : Fizarana fanampiana ho an'ireo vehivavy ao amin'ny Akany Avoko Faravohitra

08/03/2023 15:51 © Moov.Mg

Niavaka ny fankalazana ny andron’ny vehivavy ho an'ny Fadintseranana. Notarihin’i ramatoa Talen’ny Fampitaovana sy ny Fanofanana (DRF) nitsidika ny Akany Avoko Faravohitra FFPM ireo vehivavy miasa ao amin’ny Fadintseranana Malagasy.

Tonga nanome boky, vary, menaka ary savony ho an’ireo tovovavy taizaina ao amin’ity Akany ity izy ireo. Nitondra fanazavana mikasika ny asa eo anivon’ny Fadintseranana ihany koa izy ireo ary namporisika ny amin’ny fikirizana sy fahazotoana amin’ny fianarana mba ahatratrarana ny tanjona napetraka. Anisan’ny hetsika entina mankalaza ny faha-200 taonan’ny Fadintseranana moa ity hetsika ity.

Nanatanteraka hetsika toy izao ihany koa ireo vehivavy miasa ato amin’ny Fadintseranana any amin’ny faritra. Izao fankalazana izao moa dia mifanindran-dalana amin’ny lohahevitra napetrak’i ramatoa Minisitry ny Toekarena sy ny Fitatanam-bola : « Ankizivavy mianatra, vehivavy miavotra »

Lire la suite

Articles Similaires