• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Vaovao

Tsiafahy : Mpamboly rongony tra-tehaky ny zandary

08/03/2023 08:52 © Midi Madagasikara

Mitohy hatrany ny ady amin’ny fiparitahan’ny zava-mahadomelina ataon’ny eo anivon’ny zandarimariam-pirenena. Ny herinandro lasa teo, lehilahy iray efa mananiky ny 60 taona no voasambotra tao amin’ny tanana antsoina hoe Ambodivo, Ambatolokanga, kaominina Tsiafahy, noho ny resaka fambolena rongony tao an-tananany.

Raha ny fantatra dia fanomezam-baovao azon’ny zandary avy teny anivon’ny fiarahamonina, noho ny fanentanana natao nandritry ny Tafa na ny Tagnamaron’ny fandriampahalemana no nahafanan’izy ireo namantatra ny fisian’ity lehilahy ity. Nidina avy hatrany teny an-toerana ny zandary avy ao amin’ny zana-tobim-paritra Ambatofotsy, nanao ny fanaraha-maso sy ny fanamarinam-baovao.

Nandritra ny fisavàna ny taniny tokoa no nahitàna voly rongony nahatratra 49 fototra, efa mandrobona tsara. Tsy vitan’izay, hoy hatrany ny vaovao azo fa mbola nahitàna rongony roa gony, efa voatango sy voakarakara ary efa vono-kamidy, tra-tehaka tao aminy. Nentina notanana avy hatrany ho amin’ny famotorana ingahirainy, izay tsy afaka nandà intsony ny asa ratsiny. « Ho fongorintsika miaraka hatrany am-potony ny zava-mahadomelina amin’ny karazany rehetra satria manimba tokoa izany » hoy ny zandary.

Lire la suite

Articles Similaires