• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Msk
Image
Vaovao

Miarinarivo Itasy : Nisitraka fampiofanana ireo mpiangaly mozika Bapamba

08/03/2023 06:09 © Moov.Mg

Nisitraka fampiofanana nandritra ny 03 andro ireo mpiangaly mozika BAMPAMPA miisa 169 avy any amin'ny Kaominina Antoby-Est, Distrikan'i Miarinarivo, Faritra Itasy. Miisa 09 ny tarika na Kaompania misy azy ireo ka tao amin'ny Centre Alabri Mirainarivo no nikarakarana an'ity fampiofanana.

Dingana lehibe fisavan-dàlana izao tontosan'ny Minisiteran'ny Serasera sy ny kolontsaina amin'ny alalan'ny Académie Nationale des Arts et de la Culture (ANAC) izao, satria zava-kanto manana ny toerany ny fiangaliana Bampampa ka zava-dehibe ny fanomezana sehatra azy sy fampiakarana ny lentany.
Filàna sy fangatahana avy taty ifotony izao novalian'ny Minisitera izao, ny Faritra Itasy koa moa efa manana ny Federasiona KANTO MIRAY izay ivondronan'ireo mpiangaly an'ity taranjan-javakanto ity.

_Notolorana mari-pankasitrahana avokoa ireo169 mirahalahy niofana. Nisy kosa anefa ireo tarika 03 tena nisongadina, ny KAKAZO ZOKINY sy ny SOANAFINDRA ary ny TANORA MILAY FALIARIVO, ka notoloran'ny Minisitera an'ilay antsoina hoe "Certificat V.A.E na Validation des Expériences et des Acquis" ireo 58 mirahalahy mandrafitra azy ireo.
Ny tsirairay mandrafitra ny kaompania 06 sisa kosa dia samy nisitraka "Attestations" avokoa. _

Ezaka niombonan'ny taty ifotony (ireo Kaompania sy ny Federasiona, ny Fitaleavam-Paritry ny Serasera sy ny Kolontsaina, ny Solombavam-bahoaka) izao novalian'ny Ministera izao, ka ny tanjona aty Itasy dia ny afahafana manangana Federasion any amin'ireo Distrika hafa ka mba hisitraka fampiofanana koa izy ireo. Porofo koa izao, fa manana teknisianina voaofana sy afaka mizara ny traikefany ny Akademia ANAC.

Lire la suite

Articles Similaires