• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Manovosoa_Randrianarivelo
Image
Vaovao

Fénérive – Est : Trano maro no may

07/03/2023 17:11 © Moov.Mg

Fahamaizana trano goavana indray no niseho tao Fénérive Est anio. Fanana maro isan-karazany, toa ny trano, fitaovana ary vola no rava sy kilan’ny afo vokatr’izany.

Trano enina may, enina hafa narodana

Anio tokony ho tamin’ny 11 ora atoandro no nitrangan’ity hain-trano mahatsiravina ity, tao amin’ny fokontany Andranolava P/celle n01. Araka ny vaovao nampitain’ny kaominina andrenivohitr’i Fénérive Est dia trano miisa enina no may kilan’ny afo, ary enina hafa no voatery narodana mba hialana amin’ny fihitaran’ny afo. Araka ny fanazavana voaray dia tao amina lakozia iray no nanomboka ny afo, koa tsy ela taorian’izay dia niampita amin’ny tranobe teo akaiky izany.
Nanomboka teo dia tsy tana intsony ny fihitatry ny afo ka niteraka izao fahamaizana sy fandravana trano izao. Nisy ihany koa ny siosion-dresaka izany nilazana fahamaizana lelavola manodidina ny 6 000 000 ariary miaraka amin’ny entana rehetra tao amina tranom-barotra iray.
Nidina avy hatrany nijery ny zava-misy sy nandray anjara tamin’ny famonoana afo ny ben’ny tanàna any an-toerana raha vao nahare izao fahamaizana izao. Tsapa ihany koa fa nananosarotra ny fifehezana ny afo noho ny tsy fisian’ny fiara mpamonjy voina any an-toerana. Entanina ny rehetra mba samy ho mailo sy hitandrina mba hialana amin’ny loaza toa izao.

Lire la suite

Articles Similaires