• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Micc
Image
Vaovao

Midina ny vidin’ny siramamy sy ny vary ao Menabe

07/03/2023 16:16 © Moov.Mg

Ahitana fidinany ankehitriny ny vidin’ny siramamy Ambilobe sy ny vary ao Mena, araka ny fampitam-baovao nataon’ny minsiteran’ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Varotra ary ny Fanjifana. Fantatra ihany koa fa ampy tsara hatreto ny tahiry ananan'ity faritra ity.

205 000 ariary ny lasakan’ny siramamy Ambilobe

Ahitana fihenana, amin’izao fotoana izao, ny vidin’ny siramamy Ambilobe raha i Menabe manokana no resahina. 205 000 ariary ny lasaka ankehitriny raha nahatratra 210 000 ariary izany teo aloha. Na dia teo aza ny fandalovan’ilay rivodoza Freddy dia afaka misitraka vidin’entana izay ahitana fidinany noho ny teo aloha ireo mponina amin’izao fotoana.
Tsy ny siramamy ihany anefa no ahitana izany fidinana izany fa ny vary ihany koa, izay tsy inona fa foto-tsakafon’ny malagasy. Fantatra ary fa mbola manana tahiry vary nafarana 55 taonina sy vary zanatany maherin’ny 97 taonina i Menabe. Manampy ny fidinan’ny vidin’ny vary zanatany ihany koa ny fiakaran’ny vary ao amin’ny distrikan’i Mahabo.
650 ariary ka hatramin’ny 700 ariary ny vary bory, raha toa ka manodidina ny 800 ariary ny vary lava amin’izao fotoana. Milamina ihany koa ny famatsiana ny distrikan’i Mahabo, Miandrivazo ary Belo / Tsiribihina satria tsy misy ny fahatapahan-dàlana hatreto. 115 000 ariary ny lasakan’ny vary gasy ho an’ny Belo / Tsiribihina raha ny tokony ho izy fa ny saram-pitaterana no mety hahalafo azy noho ny an’ny Morondava.
Etsy andaniny dia mitohy ny asa fanaraha-maso ny vidin’entana izay tanterahin’ny eo anivon’ny ministera. Izany dia atao mba hiarovana hatrany ny tombotsoan’ny vahoaka, indrindra amin’izao fotoan-tsarotra izao.

Lire la suite

Articles Similaires