• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Prm
Image
Vaovao

Andron’ny Vehivavy : Notolorana kit de démarrage ireo vehivavy mpiofana

07/03/2023 16:10 © Moov.Mg

Maro ireo hetsika entina anamarihana ny andron’ny Vehivavy ho amin’ity taona 2023 ity.

Tafiditra ao anatin’izany ohatra ny tolotra ara-pahasalamana maimaim-poana, ny hetsika varotra fampirantiana maro isan-karazany ary ny tolotra fampiofanana natokana ho an’ireo vehivavy.

Vehivavy mahaleo tena

Omaly no nanatontosana ny fanolorana mari-pankasitrahana sy « kit de démarrage » na fampitaovana ireo vehivavy miavotse avy amin’ny faritra 23. Raha tsiahivina dia fiofanana momba ny fitantanana tsotra sy ny fandrahoana sakafo no narahin’ireto farany. Nanantitra hatrany ny vadin’ny Filohan’ny Repoblika, Mialy Rajoelina fa tanjona amin’izao karazana hetsika izao ny mba hahatonga ireo « vehivavy mahaleo tena, miavotra ary miarin-doha, afaka miatrika ny adidy mankadiry eo anivon’ny tokantrano sy ny fiaraha-monina ».
Ankehitriny dia afaka hivelona sy hiriary eny amin’ny fiarahamonina ireo vehivavy nandalo fiofanana ireo satria efa nisitraka fahaiza-manao sy fitaovana entina manomboka ny asa izy ireo.

Fiofanana mikasika ny fambolena

Ankoatra ireo vehivavy 460 nanaraka fiofanana momba ny fandrahoana sakafo sy fintantanana tsotra dia nahazo ny anjarany ihany koa ireo vehivavy mpamboly. Nisy araka izany ny fampiofanana momba ny teknikam-pambolena PFUMVUDZA. Tamin’ity indray mitoraka ity dia vehivavy 43 avy amin’ny farira 23 no nanaraka fiofanana momba io teknikam-pambolena io, izay notanterahina teny amin’ny Centre d’Appui Professionnelle Agricole (CFPA) Mahitsy. Tsiahivina fa miompana amin’ny fambolena katsaka, vary an-tanety sy legioma io teknika iray io.
Nisy ihany koa ny fanolorana kit de démarrage ho an’ireo mpiofana izay ahitana masomboly, vary sy voly avotra, zezika ary fitaovam-pambolena isan-karazany. Natao izao fampiofanana momba ny fambolena izao mba hanampiana ireo vehivavy tantsaha, fa ihany koa mba hiadiana amin’ny tsy fanjarian-tsakafo sy hahatrarana ny fahavitan-tena ara-tsakafo.
Ho tanterahina rahampitso 8 marsa ny lanonana ofisialy ho fanamarihana izany andron’ny vehivavy izany. Mbola hisy ihany koa ireo karazana hetsika maro isan-karazany, ka ho faranana amin’ny podium izany.

Lire la suite

Articles Similaires