• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Vaovao

Betafo – Zazakely roa voalaza fa very : fanadalàna mpitandro filaminana

07/03/2023 08:53 © Midi Madagasikara

Niparitaka eran’ny tambajotra sosialy ny filazàna zaza very anankiroa : Najaina 9 taona sy Elianne 7 taona. Voalaza fa kamboty ray sy reny izy ireo, avy any Bemaha, distrikan’i Betafo ary very ny volana Novambra lasa teo. Nandray an-tanana ny fanadihadiana avy hatrany ny zandary. Tsy ny zandary ihany anefa, efa nanao ny famotorana ihany koa ny pôlisy. Izay niafara taty aoriana fa zavatra … tsy misy akory ilay izy.

Araka ny fampitam-baovao azo dia niainga tamin’ny laharana nisoratra teo amin’ilay taratasy « ombay mitady » ny fanadihadiana nataon’ireo zandary. Fantatra teo fa pôlisy miasa ao Ambatolampy ny tompony. Rehefa nofotorana moa ity farany dia nanazava ihany koa fa mitady ireo ankizy ireo ary nanome ny laharany an’ilay olona izay nampandre azy ireo io fahaverezana io, ny 27 novramba lasa teo. Zazalahy io nampandre ny pôlisy tao Ambatolampy ary izy no nametraka ny laharan’ny pôlisy tao amin’ilay ombay mitady. Ilay « zazalahy » dia tsy fantam-piaviana ary tsy hita intsony nanomboka teo. Niezaka nikaroka azy ny pôlisy saingy tsy niverina mihitsy tao amin’ny birao izy. Taty aoriana, nampandre ny masera tao Ambatolampy fa nampiantranoany io zazalahy io saingy taorian’ny herinandro, rehefa hafahafa fihetsika dia nalefan’izy ireo. Torak’izay ihany koa ny nataony tao amin’ny pasitera iray tao an-toerana hatrany. Herinandro ihany dia nalefan’ny mpampiatrano azy.

Mba hampandroso ny fikarohana ireo olona telo ireto araka izany (ireo zaza roa voalaza fa very sy ilay zazalahy hafahafa nanjavona) dia nanontany ny tany Bemaha, izay hiandraketan’ny tobim-paritr’i Betafo ny zandary, toerana voalaza fa nahaverezan’ireo zaza. Hagagàna teo fa hoe efa niantso azy ireo ihany koa teo anivon’ny sampan-draharaha misahana ny zaza tsy ampy taona, mahakasika io tranga. Efa nanome fitanana an-tsoratra izay nomen’ny sefo fokontany sy ny ray aman-dreny roa teo an-tanana anefa izy ireo, nilaza mazava fa tsy misy ilay tranga. Ny somary nahagaga, rehefa nanontaniana ny manamboninahitra, kaomandin’io sampan-draharaha io dia nilaza toa ilay pôlisy tery ambony. Zazalahy tonga tao amin’ny birao, mponina any amin’io toerana io, nampandre fa tsy hita ny zandriny anankiroa, ny voalohandohan’ny volana janoary teo. Ary ny loza dia maty nisy namono ny ray aman-drenin’izy ireo. Ny 25 febroary lasa teo dia mbola niantso ity manamboninahitra ity ilay « zazalahy »fa hoe hitany ao Ambatolampy ny fiaran’ireo olona nitondra ireo zandriny. Nandefa zandary haingana tao an-toerana ity manamboninahitra ity, saingy rehefa natao ny fanadihadiana dia tsy nisy hifandraisany ny fiara nolazainy. Izy rahateo, tsy hita tao Ambatolampy intsony fa nilaza « efa lasa fa rahampitso mihaona fa finday nindraminy no nampiasainy ka marary ny tompon’ny finday ».

Hatreto, raha ny zava-nisy dia azo antoka hoy ireo mpanao fanadihadiana fa zavatra tsy misy io zaza very io fa na fanakoronan-tsaina, tsaho, na fisolokiana. Tsy misy afa-tsy ny fitadiavana ity zazalahy mistery ity no afaka hanazavana ity raharaha ity. Izy, izay hatramin’izao tsy fantatra hoe iza na iza na aiza ny toerana misy azy na aiza. Ny azo antoka aloha dia hainy tsara ny nandrebireby ireo mpitandro filaminana. Mbola manohy ny fikarohana ny zandary.

m.L

Lire la suite

Articles Similaires