• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Vaovao

Ambatoboeny : Mpangalatr’ondry anankiroa, maty voatifitry ny zandary

06/03/2023 12:15 © Midi Madagasikara

Nitrangana fanafihana mitam-piadiana tao amin’ny tanana iray antsoina hoe Masiadokitra, any amin’iny distrikan’Ambatoboeny iny, ny alin’ny alakamisy lasa teo. Tokatranon’olona iray tao an-toerana no lasibatry ny jiolahy nirongo basy sy zava-maranitra.

Lasan’ireto olon-draty tamin’izany ny ondry miisa 14, niaraka tamin’ny fitaovan-dakozia maro isan-karazany. Vao naharay ny antso vonjy moa ireo zandary avy ao amin’ny tobim-paritra Ambatoboeny dia nidina avy hatrany teny an-toerana. Raikitra ny fanarahan-dia.

Tokony ho tami’ny folo ora alina mahery 20 minitra teo no nitranga ity fanafihana tokatrano ity. Minitra vitsy taorian’izay dia tonga ireo zandary. Nanome tanana azy ireo avy hatrany ny miaramila tao an-toerana tamin’ny fanenjehana ireo olon-dratsy. Tokony ho tamin’ny iraika ambinifolo latsaka 10 minitra tany ho any no nifanehatra teo andrefan’ny tanana antsoina heo Mataviolona, fokontany Masiadokitra ny roa tonta. Vao nahatazana fotsiny ireto mpanenjika ireo nohenjehina, dia nampiasa ny basy teny amin’izy ireo avy hatrany. Nitatatata ny basy tao anaty maizina tao, ary nony farany dia nijanona tampoka ny feom-basy ary vaky nandositra ireo olon-dratsy, namela ireo ondry, izay niparitaka noho ny feom-basy.

Rehefa nozahana ny toerana, araka ny vaovao dia hita fa nisy roa tamin’ireo malaso ireo no lavo tsy afa-manohy intsony ny asa ratsiny. Ny iray tamin’izy ireo moa, lehilahy 27 taona dia olona mipetraka teo amin’io fokontanin’i Masiadokitra ihany, raha avy any Ambahivahy, Madirovalo, kosa ilay namany 39 taona. Azo teny amin’izy ireo avokoa ny entana rehetra avy nangalariny tao amin’io tokatrano io, niaraka tamin’ireo biby fiompy. Mbola manohy ny fikarohana sy ny fanadihadiana mahakasika ity toe-draharaha ity moa ny zandary any an-toerana. Ireo roalahy kosa nomena ny fianakaviany rehefa avy notsirihan’ny mpitsabo teny an-toerana.

Lire la suite

Articles Similaires