• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Météo Madagasikara
Image
Vaovao

Rivodoza Freddy : Tsy hiditra an'i Madagasikara intsony, saingy hitondra rivotra sy orana betsaka

05/03/2023 18:24 © Moov.Mg

Mifandraika amin'ilay rivodoza FREDDY ao amin'ny lakandranon'i Mozambika dia mety ho be kokoa ny rotsakorana saika manerana ny faritra maro eto Madagasikara manomboka anio.

Tamin’ny 03 ora sy sasany tolakandro teo dia tany amin’ny 190 Km andrefana somary avaratra andrefan’i Toliara no nisy ny foiben’ilay rivodoza FREDDY. 80 Km/ora ny rivotra entiny izay arahina tafiotra 110 Km/ora. Mikisaka miatsinana izy ka mahafaka 07 Km/ora.
Hitohy hahazo rotsakorana betsaka (50/90 mm) ny tapany andrefana sy atsimon’ny Nosy iny hatramin’ny Alatsinainy. Na dia tombanana tsy hiditra an-tanety aza ny ivon’i FREDDY hatreto dia mety ho voakasiky ny rivotra mafy (65 à 85 Km/h) ireo distrika amin’ny morontsiraky ny faritra Atsimo andrefana.

  1. Filazana miloko mavo (loza manambana) : ny distrikan’i Morombe, Toliara I-II ary Betioky;
  2. Filazana miloko maintso (fanairana) : ny faritra Menabe, ny distrikan’i Beroroha, Ankazoabo, Sakaraha, Benenitra ary Ampanihy.
Lire la suite

Articles Similaires