Miverina ny Rivodoza Freddy : Mila mailo ny faritra Atsimo Andrefana sy Menabe
Ny zoma 3 marsa tamin'ny 03 Ora tolakandro teo dia tany amin’ny 633 Km Andrefana somary Avaratra andrefan’i Toliara no nisy ny foiben’i FREDDY.
Hitohy ny orana manerana ny Nosy
Mbola malefaka ny heriny. 55 Km/ora ny rivotra entiny izay arahina tafiotra 70 Km/ora. Mikisaka miadana miatsinana izy ka mahafaka 03 Km/ora. Tombanana hikisaka hiatsinanana somary Atsimo Atsinanana izy ka hanatona ny morontsiraky ny faritra Atsimo Andrefana ato anatin’ny 3 andro ho avy. Hitohy hahazo rotsakorana betsaka (50/120 mm) ny tapany Andrefana sy Atsimon’ny Nosy iny hatramin’ny Alatsinainy
Filazana fanairana miloko maitso ho an'ny faritra ATSIMO ANDREFANA sy MENABE
Efa mikorontana kosa ny toetry ny andro any an-dranomasina amin’ny morontsiraka atsimo sy atsimo andrefana. Iangaviana ny mpampiasa ranomasina manomboka eo Besalampy ka hatrany Cap Sainte Marie sy Cap Sainte Marie ka hatrany Vangaindrano mba tsy hiandriaka intsony. Entanina ny rehetra mba hanaraka mandrakariva ny toromarika omen’ny manam-pahefana isan-tokony.