Vaovao
Fiarovana ny farihin'Alaotra : Zanakazo 23 000 no voavoly tao Manakambahiny
Ho fanarenana ireo sahandriaka manamorona ny Farihin’Alaotra arak’izany dia nanatanteraka fambolena zanakazo miisa 23 000 tamin’ny velaran-tany 10Ha tao Manakambahiny ny ekipan'ny ministeran'ny tontolo iainana.
Laharam-pahamehana ho an’ny Faritra Alaotra Mangoro ny fanarenana ny ala simba sy ny sahandriaka ho fiarovana ny fambolena sy ny farihin’Alaotra. Miantoka ny fiharian’ny mponina ao Alaotra ny farihin’Alaotra izay mamatsy ny rano manodraka ireo fambolem-bary izay mampiavaka manokana ity Faritra ity.
Nambaran'ny Talen'ny Kabinetran'ny MEDD nandritra izany fa tsy maintsy atao laharam-pahamehana ny fanaraha-maso ireto zanakazo novolena ireto hiantohana ny fahavelomany.