Rivodoza Freddy tao Mananjary : Nanolo-tanana ireo traboina ny fitondram-panjakana
Nandray anjara tamin'ny fanarenana ny CEG Mananjary sady nizara sakafo sy vola ho an'ireo traboina raisin'ireo Masera tao amin’ny Centre Bethleem ny filoham-pirenena Andry Rajoelina.
Fizarana tohana
Nahazo kojakoja, sakafo masaka ary lelavola 200 000 ariary isan-tokantrano ireo traboina tao Mananjary. Nidina teny an-toerana moa ny fitondram-panjakana nitondra ny fanampiana. Nisy araka izany ny fitsidihana ny Centre Bethleem izay mandray ireo traboina noho ny fandalovan'ny rivodoza Freddy.
Asa Tagnamaro
Anisan'ireo rava tamin'ny fandalovan'ny rivodoza ny CEG Mananjary. Notanterahina omaly ny asa Tagnamaro nanombohana ny fanamboarana. Efa tonga eto an-toerana ihany koa ireo fanintso sy "tables-bancs" ary kojakoja maro samihafa hampitaovana ny sekoly mba hahafahan’ireo mpianatra manohy ny fianaran’izy ireo.